FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

61. mbamisera ( 04/04/2018 12:07)
Hi Hi Hi rohy sendra hitako fotsiny iny catalogue momba ny andro farany iny, dia mba nozaraiko ho an'ny rehetra, tsy tokony asina resabe satria tamin'ny fotoanandrony dia samy nanizingizina ny azy ho marina avokoa ireo milaza azy ho mpaminany ireo, tsy hitako izay ifandaharana ny momba izany, izaho tsy mahay maminany rahateo...
62. RBNIR ( 04/04/2018 12:13)
Conseil d'amis entre chretiens ny ahy iny fa tsy fanakianana mbamisera a!
63. RBNIR ( 04/04/2018 12:14)
Mazotoa mikatsaka fahamarinana e!

Ary raha hitady ihany dia ao amin'ny Jesosy irery ihany no marina e!

« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)
64. endriny ( 04/04/2018 12:25)
I Jesosy izay niseho zanak’Atra aza tsy mahalala izay andro farany akory.

Ka ry RBNIR sy ny tariny no milaza Fa efa ho avy ny farany.

Ary rehefa tsy nahovoka izy dia: Izaho no lalana sy fahamarinana, ka tsy misy mankany @ Ray raha tsy amin’ny alalako.

Fa hoy Jesosy: Izao no famantarana: hiozongozona ny lanitra, ary hiraraka ety an-tany toa ny voan’ny amontana ny kintana

Dia hoy ihany ingahy Jesosy hoe: Fa ho avy toa ny mpangalatra...

Dia samia mandinika, fa na izy Jesosy aza tsy mahalala ny andro farany. Ary na izy Jesosy aza nisambadidaka fa hay misy famantarana ihany ny fiavian’ny mpangalatra.

Noheverin’i Jesosy tsy mihovitrovitra foana angaha ny lanitra raha tsy @ andro farany.
65. RBNIR ( 04/04/2018 12:33)
Efa hoe ny andro (jours) sy ny ora (heur) hoy aho no tsy hisy mahafantatra fa ny famantarana kosa fa efa ho avy izany dia nampahafantarina ny olona ry endriny a....
66. gasy1zay ( 04/04/2018 13:45)
Nareo hoa aza variana haminany hoe raovima ny farany sy ny hoe ahoana ny tranga amin'zany, mivonona ianao, izay no zava-dehibe
67. RBNIR ( 04/04/2018 14:16)
P.S : izaho otran'ny mbola tsy tsaroako nilaza hoe mpaminany aho an! mizara izay zavatra fantatro fotsiny aho aloha hatreto!!!

Izany mpaminany izany ange ry zalahy (ilay tena izy) avo lenta izany ary tonga dia....Ngamba avy dia mikatona ny vavan'i rhajo raha tantarainy eo daholo ny ataon'i rhajo amin'izao fotoana hitenenantsika izao.....

Izaho mbola mpianatra kelin'i Jesosy e! dia mizara izay kely mba fantatro aho...;
68. rhaj0 ( 04/04/2018 14:24)
gasy1zay:
Nareo hoa aza variana haminany hoe raovima ny farany sy ny hoe ahoana ny tranga amin'zany, mivonona ianao, izay no zava-dehibe

ka "mivonona" haninona rahef rahoviana ry Gasy1zay a?

- mivonona fa ny robe lava fotsy ve efa milamina tsara pasoka foana?
Izay izao no ataon'i RBNIR ao.

- sa, mivonona mamboatra piste d'aterrissage rehefa avy ny kalesa tarihin-tsoavalin'i Jesosy?
Izay izao no ataon'ny Raeliens.

- sa maka avance, dia mividy appartement atsy @ ilay buiding avobe atsy Dubai, fa ny any ambony indrindra izao efa any @ "rahon'ny lanitra".
Ny any ambany rihana no mila mieritreritra ny vodin-drameva ao @ desert ao izany.

- "mivonona" ny @ inona ry Gasy1zay aaa??? sy ny hoe rahoviana?? Izany no "haminany hoe raovima ny farany sy ny hoe ahoana ny tranga amin'zany"
69. gasy1zay ( 04/04/2018 16:07)

rhaj0:

gasy1zay:
Nareo hoa aza variana haminany hoe raovima ny farany sy ny hoe ahoana ny tranga amin'zany, mivonona ianao, izay no zava-dehibe

ka "mivonona" haninona rahef rahoviana ry Gasy1zay a?

- mivonona fa ny robe lava fotsy ve efa milamina tsara pasoka foana?
Izay izao no ataon'i RBNIR ao.

- sa, mivonona mamboatra piste d'aterrissage rehefa avy ny kalesa tarihin-tsoavalin'i Jesosy?
Izay izao no ataon'ny Raeliens.

- sa maka avance, dia mividy appartement atsy @ ilay buiding avobe atsy Dubai, fa ny any ambony indrindra izao efa any @ "rahon'ny lanitra".
Ny any ambany rihana no mila mieritreritra ny vodin-drameva ao @ desert ao izany.

- "mivonona" ny @ inona ry Gasy1zay aaa??? sy ny hoe rahoviana?? Izany no "haminany hoe raovima ny farany sy ny hoe ahoana ny tranga amin'zany"




Vakio ny parabolen'ireo virjiny 5 hendry sy virjiny 5 adala, mivonona hitahiry ny solikin'ny fanalany mba hitsena ny mpampiakatra. Raha adika dia hoe mivonona mitahiry ny Fanahy Masina ao anatinao, mitahiry ny finoana sy ny famonjena ka tsy ny asan'ny nofo no hanjaka eo amin'ny fiainanao fa ny fitarihin'ny Fanahy Masina.
70. rhaj0 ( 04/04/2018 16:11)
izay izany ny anao Gasy1zay sy ny virijiny kouh.. tsara izany kah..
Ny an-dRBNIR indray, ny fahalalako azy, dia ilay robe lava fotsy tsara pasoka no important.
izany no iresahana na hoe anaovana resaka eto eee... :-)
71. RBNIR ( 05/04/2018 06:50)
Tsy izaho no niteny an'io fa voasoratra ao anaty baiboly io....

« Ary ny anankiray tamin'ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [* Gr. presbytera] » (Apokalypsy 7:13)
« Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. » (Apokalypsy 7:14)
« Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary. » (Apokalypsy 7:15)
« Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. » (Apokalypsy 7:16)
« Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8). » (Apokalypsy 7:17)
72. endriny ( 05/04/2018 12:51)
Sahirana be mihintsy ry zareo any amin’ny tany hay mitady olona miakanjo fotsy satria maloton’ny vovoka daholo izy rehetra.

Ka raha misy mandalo avy any Etioky na Raoma miakanjo fotsy dia niankofan-dry Paoly satria madio lamba
73. RBNIR ( 10/04/2018 06:34)
Fa hotohizako kely amin'izay ngamba aloha:

Rehefa vita ny asan'ireo anjely telo dia inona no hitranga?

« Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'Olona* nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany. [* Na: toa zanak'olona] » (Apokalypsy 14:14)
« Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà*, satria tonga ny andro* fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany. [* Gr. ora] » (Apokalypsy 14:15)
« Dia naroson'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona tamin'ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany. » (Apokalypsy 14:16)
« Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra. » (Apokalypsy 14:17)
« Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin'ny alitara, ary nanana fahefana tamin'ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin'ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin'ny tany; fa masaka tsara ny voalobony. » (Apokalypsy 14:18)
« Ary naroson'ilay anjely tamin'ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra. » (Apokalypsy 14:19)
« Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio. » (Apokalypsy 14:20)

Hisy fijinjana 2 lehibe hiseho aorianan'ny asan'ireo anjely 3 :

1 fijinjana ataon'ilay nipetraka tambon'ny rahona izay nanana fijinjana maranitra
2 fijinjana ataon'ilay anjely nivoaka avy tao amin'ny tempoly izay nanana fijinjana maranitra ihany koa...

Ilay nojinjana voalohany dia voalaza fa ny vokatry ny tany ilay faharoa kosa dia voalaza hoe voaloboky ny tany...

Inona ny dikan'ireo fijinjana 2 ireo? : fanavahana lehibe no atao,

ilay voalohany ireo olona nanao ny fahamarinana ka angonin'ilay nipetraka ambonin'ny rahona (tahaka ny Zanak'olona)

Ny faharoa kosa dia voalaza fa ....."nazerany tao amin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra." ireo indray kosa dia ireo izay niankohoka (na nankasitraka) ny fampianaran'ilay bibidia....araka io teny io dia halefa ho amin'ny fahatezeran'Andriamanitra izireo....

Fehiny: hvahana 2 mazava tsara ny mponinin'ny tany :
1 ireo nitandrina ny didin'Andriamanitra (ireo tsy halefa amin'ny fahatezeran'Andriamanitra satria tsy nanaiky niankohoka teo anoloan'ny bibidia (nifikitra tamin'ny didin'Andriamanitra fa tsy nanaiky nandray ireo didy nomen'ilay bibidia)
2 ireo izay hanaiky hitandrina ny didin'ilay bibidia ka  nahafohy ny didin'Andriamanitra. Ity antoko faharoa ity no alefa ho amin'ny fahatezeran'Andriamanitra...

Fa maninona no havahana tsara??? satria hisy loza ho avy dia ireo loza ireo ho an'izay niankohoka tamin'ny bibidia ihany....

Rahoviana ary no ho avy ireo loza ho an'ireo izay niankohoka tamin'ny bibidia ireo??

Izay no zavatra hitranga manaraka......
74. endriny ( 11/04/2018 12:30)
"Arosoy ny fijinjanao ka mijinja"

Angaha tsy efa nataon'ny Kristianina sy mbola ataony moa io

Tany aloha tany dia nisy ilay ady masina: "Nojinjain'ny Kristianina daholo ny silamo rehetra tao Israely"

Tany amin'ny tany tsy Eraopeanina; "Nojinjain'ny Kristianina daholo ireo rehetra notoindroiny fa ombiasa sy mpamosavy ary tsy manaraka ny baiboly"

Tao Eraopa: "Nojinjain'ny Kristianina daholo izay rehetra te hampianatra siansa, mbola filaozaofia moa no anarany tamin'izany"

Ankehitriny: "Jinjain'ny Kristianina daholo izay mitady hampiatra ny finoana silamo eo amin'ny fitantanana ny raharaham-pirenena"

Dia rahoviana no tapitra ilay fijinjana?
(Rehefa tsy misy olona afa tsy izy mianakavy angamba, Na izy mianakavy indray no hifampijinja ao)
75. RBNIR ( 01/05/2018 08:07)
Aleo angamba fintinina ny resako teo aloha :

Vokatry ny asan’ireo anjely telo dia Ilay Andriamanitra Tokana sady Marina sisa no hotompon’ny olona rehetra ety ambonin’ny tany ka dia ny fivavahana kristianina sisa no hitoetra satria ho rava avokoa ireo fivavahana hafa rehetra .
Hizara 2 mazava tsara anefa ireo kristianina ireo amin’izany fotoana izany. Etsy andaniny ireo mifikitra manaraka ny didin’Andriamanitra izay voasoratra ao anaty baiboly, etsy ankilany kosa ireo manaiky sy manaraka ny fampianaran’ilay bibidia izay fampianaran’olombelona fa tsy mifanaraka amin’izay voasoratra ao anaty baiboly sady hampanenjika sy hampamono ireo olona ao amin’ny andaniny voalohany.
Hanampy an’ilay bibidia amin’izany ireo filohampirenena rehetra eran-tany izay horeseny lahatra amin’ny alalan’ny fahagagana sy famantarana mandainga (tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’ny devoly).

Rehefa vita tanteraka indray kosa ny asan’ireo anjely telo ireo dia hisy fijinjana lehibe anankiroa hitranga….Tsy inona izany fa fanavahana mazava tsara ny olona ety ambonin’ny tany….Etsy andaniny ireo izay tsy nety niankohoka tamin’ilay bibidia fa nifikitra mafy tamin’ny didin’Andriamanitra eny na dia miatra aman’aina aza izany satria nohenjehina sy novonoina izireo (Apok.14:12) …Etsy ankilany kosa ireo olona izay nanaiky ny fampianaran’ilay bibidia ka halefa ho amin’ny fahatezeran’Andriamanitra….

Inona indray kosa aza ny zavatra hitranga manaraka?
« [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. » (Apokalypsy 15:1)
Hisy famantarana lehibe any an-danitra hihomana amin’izay ireo anjely fito handraraka ireo loza fito farany ho enti-mananatanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra ho an’ireo olona izay nanaiky ny fampianaran’ilay bibidia…. Vakio hatramin’ny apok.15 :15

Ankoatran’izany dia….
« Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito. » (Apokalypsy 15:8).
Tsy nisy nahazo niditra ao amin’io tempoly io : midika izany fa nidina ny varavarana mankao….raha adika dia eo no mikatona tanteraka ny varavaram-pahasoavana ….Tsy handray ny fitarainan’ny olona mibebaka intsony Andriamanitra….Raha aorianan’io fotoana io ny olona iray vao hibebaka dia tara loatra fa tsy handray intsony mihitsy Andriamanitra satria efa nidiny tanteraka ny varavarana mankao amin’ilay tempoly (izay tempoly fandraisana ny fitarainanan’ny olona rehetra ety ambonin’ny tany)…

Rehefa vita izay famantarana lehibe izay dia….« Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hœ: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra. » (Apokalypsy 16:1)
« Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apokalypsy 16:2)
Araka io teny io dia homena baiko amin’izay ny anjely fito handraraka ny ao andoviany (handraraka ireo loza fito farany izay ho enti-manantanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra ka ireo izay nanaiky ny fampianaran’ilay bibidia no hotratran’izany……..
Inona avy ary ireo loza fito mahatsiravina ireo?
Hotohizana raha sitrapon’Andriamanitra…
Raha nanaraka tsara ianao dia milahatra tsara ny zavatra hitranga…
76. rhaj0 ( 01/05/2018 10:55)
RBNIR:
Vokatry ny asan’ireo anjely telo dia Ilay Andriamanitra Tokana sady Marina ...

Ahoana ho'a ny asan'ireo Anjely ao @ Genesisy, fa maninona no dikainao RBNIR fotsiny eee...

Ny asan'ny Anjely:

Genesisy 19: 5 dia niantso an'i Lota izy ireo (Anjely roa) ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho aty aminay izy hahalalanay azy.
6 Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
7 ary hoy izy: Masina hianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
8 Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masina hianareo, aoka re ireo no havoaka0ko ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona;



1- ireo Anjely roa lahy izany mitady ny "hahalala" an'iretsy lehilahy ao @ Lota. Marihina fa ny ao @ Baiboly, t@ izany fotoan'androny izany, dia hoe:
Mahalala = mi-seksa
Ka tena tian'ireo Anjely ho pehana izany iretsy Lehilahy miaraka @ Lota

2- Fa naleon'i Lota ny zanany vavy anankiroa no "hanaovan'ireo Anjely ny sitrapony".
77. RBNIR ( 02/05/2018 06:45)
Tena hita marina fa tsy ao ianao rhajo raha izaho ianao tsy mitondra teny avy ao amin'ny baiboly intsony rehefa tsy mahay fa mahamenatra,

Ireo mponona tao sodoma sy gomora no nanana saina saika hanolana ireto anjely 2 fa tsy hoe ireo anjely akory no.....

Mianara grammaire tsara aloha .....
ireo niantso an'i Lota dia tsy ireo anjely 2 fa ireo mponina tao ivelan'ny trano....Ireo anjely 2 efa tafiditra tao an-trano tamin'io fotoana io....

« Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna; » (Genesisy 19:4)

Tsy maninona fa aleo hitsara ny ankizy e!
78. rhaj0 ( 02/05/2018 11:16)
Eny azany fa diso famaky aho ee.. Ka ilay teny anglisy no novakiako, dia tsy azoko tsara kay fa maika be fotsiny hitsingoloka fa misy seksa be vata kay ny resa-Baiboly

Fa ny mahavalalanina kosa aloha, dia ny nataon'i Lota ee.. Nanolo-kevitra izy hoe, ho ataony sorona ho hanaparan'iretsy olona ireo zanany vavy.

Iza no matanjaka mahery sy masina:
- ny Anjely, irak'Atra, sa
- ny ankizy vavy (mbola tsy mahalala lehilahy) ???

Tena inspiration avy @ Jehovah ve izany?
79. RBNIR ( 02/05/2018 14:05)
Mahafinaritra aloha rehefa nanaiky ianao fa tsy ireo anjely no.....
80. rhaj0 ( 02/05/2018 14:18)
Fa tena ny maharikoriko ahy kosa aloha
- raha izay Anjely any no mahamendy ny sainan-dry RBNIR,
- kanefa dia tena tsy asianao RBNIR sira mihintsy ity fomban'i Lota, olon-kendrim-Baiboly, arovan'ny Anjely hendry ary bitsihan'Atra omnipuissant,
- nefa manao ity fanaovana sorona sy fampirisihina ny hametavetana ny zazavavy (mbola tsy mahalala lehilahy) izay zanany akoriny azany.

Efa 2018 izao ny taona ry RBNIR aaa... ny #MeToo na koa #MoiAussi izao efa manerana ny tany, nefa i RBNIR dia mbola mihiboka sy "manajambatena" ao @ revin'adalan'ny Baiboly sy ny Anjely ary Andrmntrany (sadikadikan-draha) izao foana.

Sa TSY takatrao RBNIR ny dikan'ireo #MeToo na koa #MoiAussi ireo, satria tsy ao anaty Baiboly??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1542