Maneho ny firaha-miory amin'ireo STK sy FJKM ao Soavinandriana

41. RBNIR ( 21/08/2017 06:34)
Amin'izay fotoana izay (rehefa hitan'ny olona fa kay tena marina ireo nolazain'i Jesosy fahiny)...dia eo vao maro no hikoropaka!!!

Indrisy amin'izany fotoana izany dia efa mikatona ny varavarampahasoavana, ary efa hanomboka hamaly ny faharatsiana nataon'ny olona Andriamanitra!!!

Dia ny mbola tonga ao aminao Izy mandondona ankehitirny mafy dia hoy aho AMPANDROSOY ARY MIBEBAHA!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
42. rhaj0 ( 21/08/2017 13:00)
Amosa 8:12 Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona...

Asa iza no "mivembena" eto, ny "olona" sa ny mpanoratra Amos, sa ny mpamaky RBNIR :-)

ka i Amos koa hono, mitovitovy taona t@ Isaiah ben Amoz, dia tany @ 800 taona talohan'i Isa Ibn Mariam.

Izany hoe, efa nofafan'i Jesosy daholo ny reviredin'i Amos.. Sa tsy izany RBNIR?
(dia fa maninona anefa no tsindrontsindrohinao RBNIR indray i Amos sy ry Isaiah ben Amoz??)
43. RBNIR ( 22/08/2017 06:21)
rhaj0:

Izany hoe, efa nofafan'i Jesosy daholo ny reviredin'i Amos.. Sa tsy izany RBNIR?
(dia fa maninona anefa no tsindrontsindrohinao RBNIR indray i Amos sy ry Isaiah ben Amoz??)

Tsy izay ka!!! Izao no notenenin'i Jesosy...

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)
44. endriny ( 10/10/2017 07:54)
Tena fambara loza angamba iny, fa nanomboka tamin'iny dia tsy mitsahatra ny mitombo ny fahoriana eto Madagasikara.

Aiza ary ireo tena kristianina no tsy afaka manala an'ity pesta ity.

Ry Ko6 Rivolala efa namono ondry niaraka tamin'ny tik tak do, fa eh eh.
45. rhaj0 ( 10/10/2017 13:10)
ny ao Zamerika koa azany, ouragan ee... afobe an'ala eee... nifanesisesy izay iray volana izay, ary an'aliny no misambodika ny fiainany, ary efa ho zato no maty, ny tanana potipotika tsy lazaina intsony..

Fa akaton-dry Mpitori-tenim-Baiboly fotsiny ny vavahady volamenany, dia misitrika anaty botofotsy lasoaha izy eee... dia .. "Aza voany" fotsiny hozy Mopera @ toriteniny eee...

(raha ny volabe am-batan'i Vatican ao ve nama, koa na ny 1/1000 fotsiny no amena ny gasy ve tsy efa avotra ee???)
46. Miharena ( 10/10/2017 13:14)
Aza mifanome tsiny fa raiso ny andraikitra. Ny toa anareo itony ilay mpitazatazam-potsiny dia mahita kianina! Ny olona tsy haninon-tsy haninona no manao toy izany.
47. rhaj0 ( 10/10/2017 13:44)
Izaho sy ny tenabeko ve ampilaharinao @ Vatican re ry Miharena??
48. Miharena ( 17/10/2017 06:17)
Tsy Vatican loatra anie Rhaj0 no olana eto fa ilay milaza hoe tsy manana anjara fiahiana aminao ILAY MPAHARY e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6195