N'y tena anaran'i Mpamonjy

41. tspoaeta ( 10/08/2017 03:51)
tspoaeta:

Hoy stahtam:
Ny sisa amenoana azy izany sisa dia hoe inona ilay asan'i tspoaeta eto ?
Ny fahitako azy dia mpiandry vorona (raha @ ity fanoharana ity);
Ka izao e: ny akoho tsy mila andrasana fa ny vorona (dokotra) atao tsara ambina sao tsy hita any ampovoandrano any ka havadiky ny patron ho mpiandry kisoa eo indray ianao.

adinoko marina i RBNIR.
I RBNIR kosa dia kisoa.
Izaho dia sady mpiandry dokotra no mpiandry kisoa, fa ilay akoho tsy andrasako fa afatotro
42. stahtam ( 10/08/2017 05:05)
Tena mahafaka andro kosa ilay miresaka @ tspoaeta ko! Izay aho aloha vao naheno izany olona mamatotra akoho izany hatrizay niainako, (sady miandry k... sy v....) Izany ve tsy ilay mif... miafina e! Oay a !
- [tsso! tsso! tsooo! poeta] c'est amusant la vie !!
43. RBNIR ( 10/08/2017 10:47)
tspoaeta:

Izaho dia sady mpiandry dokotra no mpiandry kisoa, fa ilay akoho tsy andrasako fa afatotro

Raha azoko tsara i tspoaeta izany mametraka ny tenany ho mpiandry eto...ary ny andrasany eto dia i statham sy ny tenako...Ahitsiho aho raha diso ry tspoaeta....

Ka izao ry tspoaeta a!!! aza misahirana intsony ianao fa izaho efa manana Mpiandry sady ny ahy ilay tena tsara indrindra, dia tsy IZA akory fa ilay niteny hoe ....« Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. » (Jao.10:11)
44. tspoaeta ( 11/08/2017 11:14)
Ô RBNIR a! Enao anie wa tsy ondry fa kisoa @ ilay fanoharana e. Dia tsy misy idiran'ny jesosy ity resaka ity.
45. RBNIR ( 11/08/2017 15:37)
Dia mihevitra v i tspoaeta fa ho tezitra aho atao kisoa????

Tsy fantatrao marina ny olona miresaka aminao ry tspoaeta.....Mamofompofona fampianaran'ingahy episkopo indray ity manambanimbany ny hafa ity....raha izao no mitohy tsy maintsy hiteny ihany koa i tspoaeta hoe Yahoshua no izy fa tsy Jesosy....

Jereo ange e!!! Dia handimby an-dra TAN eto indray koa dia raha tsy afabaraka tanteraka indray tsy hikombombava.....
46. tspoaeta ( 14/08/2017 04:29)

RBNIR:

Dia mihevitra v i tspoaeta fa ho tezitra aho atao kisoa????

Tsy fantatrao marina ny olona miresaka aminao ry tspoaeta.

Ilay we kisoa ve no lazainao fa fanambaniana? Kisoa izany anie tsara be e! Izany no tena matsiro hena indrindra, fa ny dokotra sy ny akoho koa matsiro an. Fa ts maninona ary fa ao ary atao we vorontsiloza indray fa ts kisoa e. Amizay mba samy misy elatra mitovy @ ilay dokotra sy akoho koa, sao d le tsis elatra mants n mampalahelo anao eo
47. tspoaeta ( 14/08/2017 04:45)
RBNIR:

Mamofompofona fampianaran'ingahy episkopo indray ity manambanimbany ny hafa ity....raha izao no mitohy tsy maintsy hiteny ihany koa i tspoaeta hoe Yahoshua no izy fa tsy Jesosy....

Fa ianao angah nanambony an'iza? fa tsis nanambany izany teo, fa tsy takatry ny sainareo ilay izy dia tsmaints atao tahak'ireny dia amzay takatrareo tsara.
Iza ilay episkopo? Dia porofoy amiko fa Yahoshua no izy fa tsy Jesosy
48. RBNIR ( 15/08/2017 16:16)
mahafinaritra aloha rehefa manomboka tonga saina mikasika an'i episkopo sy ny resaka Yahoshuah ianao....
49. tspoaeta ( 16/08/2017 06:02)

RBNIR:

mahafinaritra aloha rehefa manomboka tonga saina mikasika an'i episkopo sy ny resaka Yahoshuah ianao....

Mba ampahafantaro anay izany episkopo sy Yahoshuah teneninao izany. Fa ianao izao mahafantatra an'izany dia falifaly mahazo fahafinaretana eo, fa izahay tsy mahafantatra.
Rehefa mb nahazo maimaim-poana ianao dia mba izarao @ izany koa izahay
50. RBNIR ( 16/08/2017 08:59)

tspoaeta:


RBNIR:

mahafinaritra aloha rehefa manomboka tonga saina mikasika an'i episkopo sy ny resaka Yahoshuah ianao....

Mba ampahafantaro anay izany episkopo sy Yahoshuah teneninao izany. Fa ianao izao mahafantatra an'izany dia falifaly mahazo fahafinaretana eo, fa izahay tsy mahafantatra.
Rehefa mb nahazo maimaim-poana ianao dia mba izarao @ izany koa izahay

:-) mpandainga B izany ry tspoaeta a! raha olona tsy ampy fahalalana ny amin'ny tenin'Andriamanitra avy dia roboka, efa noporofoiko teto daholo ny lainga B rehetra nataony!!!

Enga anie ka hibebaka izy....
51. tspoaeta ( 16/08/2017 12:09)
RBNIR:

:-) mpandainga B izany ry tspoaeta a! raha olona tsy ampy fahalalana ny amin'ny tenin'Andriamanitra avy dia roboka,

Tena mahatsikaiky indray inty, satria: mpandainga be nefa mahafinaritra an'i RBNIR. Ary dia tng d roboka mihintsy i RBNIR @ ilay izy.
Ka ny inona rey olona no mahazo fahafinaretana @ lainga?
52. RBNIR ( 16/08/2017 12:16)
mahafinaritra ahy ahoana moa izy ry tspoaeta, mahafinaritra ahy v havoakako eto ny laingany??

Sao dia manonofy aloha ianao io e???

Tsy mahafinaritra ahy mihitsy ny zavatra ataony tspoaeta a! Mampahalahelo ahy satria dia marobe ery ireo vahoakan'Andriamanitra voafitany ao!
53. tspoaeta ( 17/08/2017 05:10)
Mbl io ambony io anie ilay teninao RBNIR e!
Miharihary be loatra ilay laingabenao, fa ndana aloha gômao teo io teninao io fa mahamenatr'olona (manala baraka an'i jesosy enao).
Ref matinao teo io teninao io d izay vao mety hivadika ho tahaka ny marina angamba ireo teninao farany ireo
54. RBNIR ( 17/08/2017 09:23)
aleo ary hazavaiko ilay teny e,

Hoy aho hoe "mahafinaritra aloha rehefa tonga saina amin'ilay resaka episkopo sy Yahoshoua ianao ry tspoaeta...."

Ny antony nitenenako an'io dia satria teo aloha ianao tia an'io episkopo io....ary nanohana mafy ilay Anarana Yahoshoua,

Ankehitriny kosa dia hita fa toa tonga saina marina ianao.......ary efa manomboka manda an'i episkopo sy manomboka manaiky ihany koa ilay Anarana Jesosy namana, izay fiovanao izay lazaiko hoe mahafinaritra raha tsy azonao ilay teniko...
55. RBNIR ( 17/08/2017 09:29)
http://forum.serasera.org/forum/message/m594b4f1836951/20

Ao amin'io rohy io izao dia mbola hita fa tsy mbola resy lahatra tamin'ilay Jesosy ianao (saika voatarik'i RA TAN)...

Ankehitriny kosa dia mahafinaritra fa efa resy lahatra amin'ilay Anarana Jesosy ihany ianao, koa mahafinaritra rehefa tonga saina ianao ry tspoaeta a!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2536