Apoaka lips

41. Miharena ( 07/08/2017 16:34)

rhaj0:

Miharena:
siansa ara-panahy sy ara-pamoronana

efa manao an'io re ny fanatiques ao Zamerika ao ee.. Fa hihomehezan'ny olona fotsiny..

Fa mila mitandrina ihany na izany azany ny olona, fa misimisy ihany no voarebirebin-dreo an. Ny loza izao dia i Betsy DeVos dia toa isan'ny "mino" an'izany. I DeVos no minisitry ny fampianarana ao Bekintana ao. Mody hoe amena "choix" hono ny mpianatra (sy RaR-ny), nefa choix @ ilay "siansa ara-panahy" no tanjony.

Fa izay "mahalala" an'io moa, dia
- raha bekintana izy, dia mitsangam-bolo
- raha tsy bekintana izy, dia .. mikimokimo ambadika hoe, dia ho dondrona ao izany ny zana-bekintana.

Izay mpiavy ao bekintana ao, sinoa/karana/japs/koerana/arabo/latino, dia mianatra mafy Siansa daholo. Ny eny @ 3eme cycle, dia zara raha ahitana bekintana-ray-sy-reny. Dia soa koa fa ny Eoropeana tsy mba @ izany.

Enga anie ny gasy tsy ho voarebireby @ izany koa.

(izay no mbola hanontaniako indray hoe, ngo dia manana fahefana (politika) ry Miharena itony, ka hidiran-doza ao ny firenena!!)




Raha ity resakao ity Rhaj0 dia mazava tsara fa manindrahindra ireo firenena milaza azy ho matanjaka ianao ary manamavo ny Malagasy miampy fanamavoana ny fivavahana sy finoana.

Ny siansa anie Rhaj0 azo sokajiana ho fandinihina ny voarin'Andriamanitra e!

Sa lazainao fa tsy Azy io fa anao na an'ny Bekintana na an'ny Eoropeana ka ry zareo ihany no tena mahay izao rehetra izao sady ataonao fahamarinana tsy azo ivalozana izany, indrindra fa rehefa manamporofo fa tsisy ny Mpahary??

Ka izy ity moa momba ny resaka Apokalypsa izay manambara fiafaran'ny fanjakan'izao tontolo izao fa handraisan'ny Tompony azy amin'izay ka asa hoe tsy hirona kokoa any ve ny resaka sa hoe hafa mihitsy ny an'i Rhaj0?

Ny olana amin'i Rhaj0 dia tsy mamaky Baiboly izy ary mandalina azy io raha mifanaraka izay lazain'ny namana isan-tokony eto fa maka referansy hafa ivelany rehefa hanohitra ny Baiboly.

Nefa maivana be ilay valinteniny isaky ny referansy jereny sy arosony eto dia manao drindrangilo avy eo izy.

Izany hoe raha vakiana izany ny tontalibeny dia fohy saina ihany ny namantsika Rhaj0 ka tsy mahalala afatsy izay efa namolavolany ny lohany avy tamin'ny hevitra angoniny etsy sy eroa izay marihina ihany fa ivelan'izay tena vontoatin'ny fifanakalozan-kevitra eto.
42. calin.brandon ( 09/08/2017 14:49)
Rhajo >>>

Rhaj0 a ! io indray ianao fa traingo.
Vraiment, vas te cultiver fa mahamenatra marina e ! Et ne te contente pas de Google pendant que tu y es !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2257