Ny fivavahan-drazana mitaha amin'ny fivavahana kristianina

21. endriny ( 28/04/2017 12:44)

irakiraka:

Isika mila tahiana isan'andro. Dia hitady toaka isan'andro ho an'i zanahary ianao?


Izany a... isan'andro ianao mila tahian'i Zanahary foana. Sao dia ilay "tahiana" kosa aza no tsy azontsika ny dikany.

Ny Tahiana sy ny Tazaina dia teny mitovy dika. Asaina mitaiza zaza na mitaha zaza I zoky rehefa misy asa atao I Neny

Fa ny mitaha sy ny mitaiza dia midika koa hoe manampy. Mba tahio kely aho retsy hamita an'ity asako ity a. Fa tsy hoe mba tahio kely aho ry koto hampiditra rivotra ato anaty avokavoko a, raha tsy hoe any amin'ny hopitaly angaha. Midika izany fa ny fitahiana dia rehefa misy manahiarana no ilany mpanampy fa tsy hampakatra sotro ao am-bava ihany koa dia ilana mpanampy. Raha tsy hoe marary angaha sanatria.

irakiraka:

Ankoatry ny fitahiana ny fiainana. Tsy manana hetaheta handova ny lanitra v ianao?

Fire an'ny taksy be isan'andro aza efa manahirana ahy, fa mazotoa e. Ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra hoy I Jesosy. Ka inona no isahiranako hoany amin'ny zavatra mitovy amin'ny eto ihany. Vazo mitovy ihany ve no andehanana itana rano misy voay.
22. rhaj0 ( 28/04/2017 13:17)
Ka ny (dika-)teny gasy ho'a efa navilambilan'i Andrianaivoravelona, ary dia ataon-dry Irakiraka pli-vava, nefa (tena) TSY hainy velively akoriny ny (tena) dikany @ Malagasy (orijinaly).

Io izao koa ry Kristiana (Irakiraka) dia, isan'andro koa dia manao pli-vava hoe, "tahio ny sakafonay".
ntss... sakafo efa vita masaka eo ambony tsihy ve dia mbola angatahana an'Andmntra ho "tahiaNY" ???? ho ataoNY inona moa izany izy io ???

23. endriny ( 30/04/2017 04:05)
Tsy omena tsiny izy raha satria na ny mpitondra aza tsy manome hqsina ny tenigasy eto Madagasikara
24. endriny ( 01/05/2017 15:02)
Ho an'ny Malagasy izany i ZAnahary sy ny Razana dia miarka miriaria amin'ny velona eny foana. Ka raha mihinam-bary eny antehezan-tany tsy fantatra eny, na misotrosotro kely dia ampazahoana kely ny razana sy ny Zanahary tompon-tany.

Raha misy raharaha, na vakitany atao dia omena kely ny Zanahary sy ny Razana.

Rehefa manao sata-bokatra, dia misy salohim-bary afatotra ery anjoron-trano. Salohim-bary nalaina manokana tamin'ny vokatra tsara indrindra, ary nalaina mialohan'ny nandidiana vary. Io salohim-bary io dia natao ho an'ny Zanahary sy ny RAzana
25. endriny ( 04/05/2017 13:23)
Rehefa hikabary dia omena voninahitra sy ialana tsiny voalohany i Zanahary sy ny Razana.

Tsara ho fantatra ihany

Andriamanitra sy Zanahary dia tsy hoe zavatra noforina akory. Fa zokiolona nanjaka teto Madagasikara taloha ireo.

Atra tany Ambohitrandriamanitra, ary Zanahary dia nomena ny faritra avaratra atsinananan'ny Nosy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4585