Miady ny tale jeneraly ao amin'ny MEPATE, ady seza e !

1. rabaradaka ( 02/05/2016 09:04)
Miady sy mifamely an-toerana ny mpiara-miasa amin'ny Ministre Rafidimanana Narison nandritra ny fampahafantarana ilay PNDIE tao amin'ny Hotely Colbert Antaninarenina.
Raha ny tokony ho izy, hoy ireo mpiasan'ny MEPATE dia Atoa RAFARALAHY Tale Jeneralin'ny Fotodrafitrasa no tokony hiteny hisolo ny Ministra izay tsy tao nefa tazan'ny mpanao gazety tao amin'ny Colbert. Tsy io olona io anefa no niteny fa ilay jejolahy Tale jeneraly Gerard no nandray fitenenana.
Tena fisehosehoana diso toerana izany sa ve ady toerana satria mbola tsy voatendry izay tena ho tompon-toerana. Izy 2 lahy ireo dia olon'i Rakotovao Rivo izay samy hita fa tsy mamely sy tsy mahavoa mihitsy. Raha resaka dia malama vava ingahy DGATE Gérard fa raha ny vokatra dia zéro. Ireo anefa no mbola hiady toerana. Ka inona fa tsy dia ny zéro ihany koa zany no andrasana.
Fa inona tokoa no nahaministre an'io Narison izay mpanao bizna letchi tany Tamatave io e ? Io zao hono no akamaben'ny Première Dame e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5157