IZA NO MAHAZO TOMBONTSOA AMIN'NY FISIAN' NY "AMBALAVELONA"?

1. RUZ9 ( 29/02/2016 09:04)
Toa zary resabe tato ho ato ity resaka ambalavelona ity, ny valala moa misy, ny mpilaza mahay.
Variana ihany ny tena nahita mpitondra fivavahana nilaza tamin'ny fahitalavitra tafiditra amin'ny tranonkalan-tserasera isan-karazany ity " ambalavelona " ity ary mifindra avy @ tranonkala ireny.
Ka mba azon'ireo mpitondra fivavahana ireo valiana ve ireto fanontaniako ireto azafady ?
1 - Omeo kely hoe ny script -n'izany ambalavelona izany ?, code html no anontaniako raha misy tsy mahazo.
2 - Iza no nampiditra azy tamin'ny solosaina ?mody atao hoe Satana ve sa misy olona ivelan'ny valan'ondrinareo tiana henjehina indray amin'ity raharaha ity
3 - Firy ny adresse IP -n'io solosaina nandefasan'i Satana an'io Ambalavelona io ?
4 - Taiza ny toerana nandefasany azy ?
Satria moa toa tena havanana amin'ny fampifangaroana ny siansa sy ny finoana ireo mpitondra fivavahana voakasik'ity lahatsoratra ity, dia ho voavaliny soa aman-tsara miaraka amin'ny porofo mivaingana ireo fanontaniana ireo.
Mbola zaza ve ny malagasy ? sa bado loatra ? Tsy mahay manavaka ny mino an'Andriamanitra sy ny mino mpitondra fivavahana, tsy mahay manavaka ny hoe mamaeno fiangonana sy ny manaraka ny sitrapon'Andriamanitra dia atao kilalao.
Mbola hametraka fanontaniana 3 mila fanazavana i RUZ9
5 - Aiza ho aiza ao amin'ny baiboly ary didy fahafiry no milaza fa afaka manao " affirmation gratuite " ny mpitondra fivavahana ?
6 - Iza no mpahazo tombontsoa amin'ity " ambalavelona " ity ?
Inty ny tranokalan-dRUZ9 hanarahanao ny tohiny : URL : http://cyrius.unblog.fr
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.087