Dia mbola hangina ihany ve ny vahoaka manoloana ireny fihantsiana ataon'ny olon'ny HVM ?

1. rabaradaka ( 24/02/2016 05:45)
Saika tsy hanoratra ihany aho saingy nenjehin'ny eritreritro aho hoe sao tokony hiteny ihany dia nanapaka hevitra aho hoe hilaza izay fantatro mikasika ny raharaha Rasendrahasina Lala, izay hifonako sahady ny mpamaky satria ny zava-misy no ho lazaiko.
Mpandeha matetika ao amin'io toerana fanaovana massage ao Antanimena io ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala. Tsy hidirako izay antony andehanany ao na dia mazava fa "sex massage" no tena mampalaza io toerana io ary miafara amin'ny "pénétration et fellation".
Ny mahalasa ny saiko dia hoe olona manana zo sy fahafahana hiditra amin'ireny olona rehetra ary tsy vitsy amin'ireo ministres sy olona ambony ireo no mamonjy ireny toerana lazaina hoe fanaovana massage ireny. Ny olona mpanao massage ao koa dia mazava tsara fa efa 18 taona no miakatra avokoa izany hoe efa ampy taona.
Fanontaniana :
1- Inona no idiran'ny Polisy amin'io resaka io ? Sa ve nisy vadin'olona nentiny ka tratra izy ?
2- Inona no hisamborana azy koa, sa ve nitondra zaza tsy ampy taona izy ?
Tsotra ny valiny : tena fanalam-baraka an'i Rasendrahasina Lala iny ary tena mibaribary fa i Hery Rajaonarimampianina sy Rivo Rakotovao no tao ambadika.
Ny resaka henoko dia baiko mivantana avy amin'i Rivo Rakotovao no nanaovan'ny Polisy azy iny.
Dia mbola hangina ihany ve ny vahoaka manoloana ireny fihantsiana ataon'ny olon'ny HVM ireny ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1228