aleo manambady olona tena tiana

1. nunogomes ( 08/02/2016 13:46)
tam za 17ans de nahabevoka sipa 14ans de norahonan ny rad le sipa za we gadraina raha toa ka tsy hanambady azy de za tsy nanaiky h@ farany de iz koa tsy sahy nitory. tena ts nanaiky nanambady az za satria tsy tiako iz. nanambady za taty aoriana de sipa tena tiako na de mpanampy an trano aza ny asany taloha ny nivadianay. h@ zao zay tena mbola mifankatia foana na de zava maro aza no natrehana. aleo manambady olona tena tiana
novalian'i Zoma ny 21/10/2016 08:39
2. nilex ( 08/02/2016 14:07)
marina ny teninao fa hafa ihany ny manambady olona tiana fa tena faran'izay ratsy sy toetran'ny olona kanosa koa ny mahabevoka olona tsy tiana ary tena feno fitiavan-tena.Heloka be vava eo anatrehan'Andriamanitra izany satria dia nanimba fiainan'olona roa ianao izany ny reniny voalohany ary ilay zaza koa no tena henjana .Ahoana izao no hoavin'ilay zaza izay tsy eo amin'ny ray sy ny reniny nefa dia taranako tsotra izao.Aza adino fa mbola ho adinina aminao izany any aoriana any fa aza maika.Mila mandinika tsara fa aza tia tena.Ampahafantaro ny vadinao hoe izany ho jerentsika.Somary masiaka aho fa miala tsiny fa tsy maintsy hambara kosa ny marina.Misy halahelo mitambesatra eo amin'ny fiainanao.
3. nunogomes ( 08/02/2016 14:31)
efa fantany vadiko talohan nivadinay zan seng tsy olana taminy. tena fantatro fa ho ady lava ny anay raha nivady satria tena tsy tiako iz. ekeko fa erreur le iz
4. vahiny2004 ( 08/02/2016 14:53)

nunogomes:

efa fantany vadiko talohan nivadinay zan seng tsy olana taminy. tena fantatro fa ho ady lava ny anay raha nivady satria tena tsy tiako iz. ekeko fa erreur le iz


Mety ho ahoana ny fandraisanao azy raha ny zanakao vavy tokana no ataon'ny bady ohatr'izany !!!!
5. rhaj0 ( 08/02/2016 17:11)
ni-violer zaza tsy ampy taona anie ianao izany ry Nunogomes eee...

Raha aty @ tany tan-dalana ianao dia efa gadra.

Dia ilay zanakao t@ ilay ankizy-14-taona izany narianao tany koa?

Dia tsoriko fa dia mbo loza mihintsy 'nareo eee... tena tsisy culpabilitE mihintsy ao aminao ao fa mandeha joli an... miaraka @ Atra koa ve @ io ???

Dia entre-pa fa tena tsisy idiran"Andrmntra @ izany rehetra izany,
- na ny naha-bevohoka ny ankizy-14-taona (tsisy fahasoavan'Atra izany eo),
- na ny nanambadianao ilay olon-tianao (tsisy vady namen'Atra izany eo)
6. rhaj0 ( 08/02/2016 20:32)
"statutory rape", na "viol statutaire".. na koa "detournement de mineur"..

Mbola zaza ilay 14 taona, mbola tsy tonga @ taona ahafahany miteny hoe, "eny, hi-sex aho" (absence de consentement... legal).. Satria ny taonanareo dia TSY mitovy, dia misy ny tsindry aloka tsy ahafahany miteny ny safidiny malalaka
7. MYGA ( 09/02/2016 06:36)
Miarahaba ny rehetra ato ;mampalahelo ils y ankizivavy vao 14taona monja nefa sendran'olona tsy mataho -tody mpandositra adidy .Fantatrao oe tsy tianao izy dia maninona no nosimbana ny ho ahiny
Mbola hivaly @nao ihany zany dia ho tsapanao ny fahorina nentiny t@izany
Fa raha hoentinao ao antranonareo eo @ça final zay lazainao fa tianao ve le zanakao zay dia ho raisiny@fo madio tokoa diniho tsara alohan'ny manapa-kevitra ry lehilahy tia tena
Somary lava ny resako miala tsiny fa mampalahelo le toe -tsaina
8. Fiffi ( 09/02/2016 06:50)

MYGA:



mampalahelo ils y ankizivavy vao 14taona monja nefa sendran'olona tsy mataho -tody mpandositra adidy .Fantatrao oe tsy tianao izy dia maninona no nosimbana ny ho ahiny
Mbola hivaly @nao ihany zany dia ho tsapanao ny fahorina nentiny t@izany diniho tsara alohan'ny manapa-kevitra ry lehilahy tia tena




....tena mitovy hevitra am nao zah eto...

mahatsiravina , maharikoriko ny nataon'io bandy io....grrrrrrr fitiavantena fotsiny !

9. MYGA ( 09/02/2016 07:00)
Ny tena mahasosotra aminy dia ilay izy otran'ny tena fier ery mitantara ny zava -doza vitany
Mieritrereta ramose ary mba mijere fitaratra manao jeri-todika ny fianina oe
Raha zao ny teo @toeranao dia menatra
10. Fiffi ( 09/02/2016 07:06)

MYGA:



Ny tena mahasosotra aminy dia ilay izy otran'ny tena fier ery mitantara ny zava -doza vitany
Mieritrereta ramose ary mba mijere fitaratra manao jeri-todika ny fianina oe
Raha zao ny teo @toeranao dia menatra


....tsy we mahasosotra fotsiny fa mahatsiravina....de sahy mamoaka zao dinika zao eto grrrrrr
11. nilex ( 09/02/2016 08:53)
Tsy mba lehilahy izany amiko fa toy ny biby mihintsy,ny biby no manao toy izany eny amin'izay tiany eny dia lasa avy eo.Matoa manao firaisana amin'olona dia vonona hiatrika ny vokany avy eo fa tsy tia tena tahaka izany.Tandremo fa ny tody tokoa nge tsy misy fa ny atao ihany no miverina e.
12. nunogomes ( 09/02/2016 09:15)
nilex:

Tsy mba lehilahy izany amiko fa toy ny biby mihintsy,ny biby no manao toy izany eny amin'izay tiany eny dia lasa avy eo.Matoa manao firaisana amin'olona dia vonona hiatrika ny vokany avy eo fa tsy tia tena tahaka izany.Tandremo fa ny tody tokoa nge tsy misy fa ny atao ihany no miverina e.
mba grav koa zan fitsaranao anah zan ry nilex
13. nilex ( 09/02/2016 10:45)
tsy hoe ratsy saina aho raha milaza anao izany fa milaza ny marina mikasika ny zavatra vitanao.Tena tsy takatrao mihintsy raha izany ny maha zava-doza ny vitanao.Very ilay fanahy maha olona anao izay no mahatonga ahy hiteny hoe efa toy ny biby nge izany vitanao izany e.Aza raisina ho fanaratsiana sanatria ny hambarako anao fa diniho sy saino lalina dia ataovy ho anatry ny sisa fa tsy mety izany.
14. Fiffi ( 09/02/2016 13:15)

nilex:


Tsy mba lehilahy izany amiko fa toy ny biby mihintsy,ny biby no manao toy izany eny amin'izay tiany eny dia lasa avy eo.Matoa manao firaisana amin'olona dia vonona hiatrika ny vokany avy eo fa tsy tia tena tahaka izany.Tandremo fa ny tody tokoa nge tsy misy fa ny atao ihany no miverina e.



...miombikevitra tanteraka am nao zah eto ! tena biby marina....sy habibiana fotsiny dé avy eo mandositra....pafff !
15. Fiffi ( 09/02/2016 13:16)

nilex:


tsy hoe ratsy saina aho raha milaza anao izany fa milaza ny marina mikasika ny zavatra vitanao.Tena tsy takatrao mihintsy raha izany ny maha zava-doza ny vitanao.Very ilay fanahy maha olona anao izay no mahatonga ahy hiteny hoe efa toy ny biby nge izany vitanao izany e.Aza raisina ho fanaratsiana sanatria ny hambarako anao fa diniho sy saino lalina dia ataovy ho anatry ny sisa fa tsy mety izany.


...tena marina ireo voalazanao ireo....sady am zay vé vao ankizy kely 14 ans ! pffffff tsy mba menatra akory lé bandy mitantara an'zany eto ....
16. Fiffi ( 09/02/2016 13:25)

nilex:


Tsy mba lehilahy izany amiko fa toy ny biby mihintsy,ny biby no manao toy izany eny amin'izay tiany eny dia lasa avy eo.Matoa manao firaisana amin'olona dia vonona hiatrika ny vokany avy eo fa tsy tia tena tahaka izany.Tandremo fa ny tody tokoa nge tsy misy fa ny atao ihany no miverina e.


tokony faizina sy saziana faran'zay enjana io bandy io... c'est un violeur !!!
17. booboo ( 11/02/2016 10:10)
17ans sy 14 ans...@ lay taona tena maha-adala mihitsy. Misy² ihany ny fantatro teny @ manodidina anay teny niaina an'izao koa. Lay sipakely mafy hatoka gravy fa amoureuse, tsy laitra notenenina. Fa ny ankamaroan-dreo fantatro ireo voatery nanambady aby ! (fa firy taona dia afaka manambady moa ? ). Dia nony afaka 10 taona raha ela indrindra dia nisaraka aby.
Fa ny ahy disoiko aby na ny rad, na ilay lhl na ilay zazavavy !
Na izany na tsy izany, miombon-kevitra aho hoe tsisy tsara ohatra ny manambady olona tiana.
18. MYGA ( 11/02/2016 18:53)
Marina daholo zany saingy faharatsian-toetra ihany koa ny miaraka s'y manimba ny hoavin'ny olona iray zay lazainao fa tsy tianao nefa dia nitorianao fitiavana s'y nomenao toky fitaka mba ahazahoanao azy
19. 260882 ( 10/05/2016 18:43)
Dia ianao nieritreritra haka dera teto oe tena nanao ny nety. Otrany lefitro ihany ra ozy ianao hoe mbola zaza loatra aho taminy zany dia mbola tsy vonona... Fa raha araky ny fanazavanao azy etsy ambony tsy tianao akory ilay zazavavy, mampalaelo be lay toe-tsaina
20. fredkwel ( 02/06/2016 10:31)
Njabaka kou ty bandy kely 17ans ty!Hi5,nievitr we tsy iray idéé amiku ve ny ato kanjo.....Fanakianan s fanaratsn nu naazu az,maerez zandr e.Nareo ku manku manao2 foan ku
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4229