mitady vahaolana joint cache culbuteur

1. harinaval ( 30/09/2015 15:44)
Salama daholo.

Mampiasa fiara OPEL CORSA B année 89 aho. Nisy fotoana nikasa iregler sopapa kanjo tsy reglable ny sopapany dia nakatona fotsiny nefa ny olana dia lasa nisy fuite menaka ny cache culbuteur nanomboka tamin'io. Nasiana colle noire ilay izy dia naverina napetaka avy eo fa mbola misy manary ihany. Nosoloina joint novidiana teny @quincaillerie ilay ohatran'ny taratasy matevina ireny sady nasiana colle noire ihany fa mbola nanary fa zany hoe tsy dia nanary be noho ilay teo aloha satria 0,5 litre no very nande tana-full pointe aller retour. Noho ny tafaverina dia tapakevitra aho hoe ande ho any amin'ilay mpanamboatra joint ireny mihitsy satria mahakamo be ny mijery ilay menaka misolitika ao amin'ny moteur. Vitany tsara ilay joint ary noeritreretina hoe tonga dia mety tsara tsy manary intsony kanefa toa voamaika aza nanary menaka be. Ny mbola tsy nataoko aloha dia ny nanontany directe teny @ mpivarotra piece auto hoe misy joint vaovao ho an'io fiara io ve sa tsy misy. Fa kosa mba mangataka torohevitra hoe inona no tokony atao. Na mety misy manana feuille hafa fanamboarana joint cache culbuteur ve? sa ve ilay joint namboarina mety ihany fa mila colle speciale fa tsy mety ohatra ilay colle noire? misaotra mialoha ho an'izay mamaly
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0886