10 Aogositra 1991, fotoana hahatsiarovana ireo Malagasy atody niady amambato namoy ny ainy

1. saho ( 09/08/2015 16:53)
Mba mahatsiaro ireo Mpiray tanindrazana nanary ny ainy, niady mba te haneho hevitra...

Novonoina toa ny moka anefa izy ireo, tsy azo atao toy ny moka anefa izy ireo fa kosa tena fitiavana ny maha Malagasy sy Madagasikara te hiova na hiady ny fahantrana sy didy jadona

Raha atao ny fehiny, Ratsy iraka mbola velona , raha atao ny fitsarana marina dia sahaza azy ny toa Kadafi sy ireo rehetra mamono olona tsy mitana fitaovampiadiana sy ny vahoaka madinika

Aiza ho aiza ny fahitanareo ny rariny, amin ity tantara politika maloto niatomboan io Ratsy iraka mbola miseho milay io, lahy antitra efa hiditra ny fahafatesana, tsy mataho tody, mivavaha ho azy fa efa antitra izy izao, hifanena ireo devoly isankarazany, namono vahoaka malagasy, sy ny ratsy rehetra vitany tao Madagasikara iray manontolo....nareo mbola mandray azy afaka miteny amin ny mikro, mahagaga ny Malagasy sasany....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2816