Aza manaiky amabanian'ny frantsay eto amin'ny Taninao fa taovy mahita eroy!

1. ambohijanaka ( 09/07/2015 15:19)
Tena misy mahamarina azy ihany ireo zavatra lazainao eto momba an`ireo
vahiny, indrindra indrindra moa ireo frantsay eto amintsika. Misy
tokoa izy ireo tena miseo manambony-tena mihitsy ary misy aza tena tsy
menatra manalika Malagasy mihitsy. Misy frantsay izay mipetraka ao
Ambatobe ao fa tena malaza ao @io tanana io mihitsy hoe tsy tia gasy
hono. Io vazaha io manana tany goavana be ao ary manana trano sy
karazan`entana marobe koa. Kanefa, izy io, tsy tia gasy nefa mampiasa
gasy no sady mipetraka eto Madagasikara!! Amiko manokana, inona no
hipetrahanao eto rehefa tsy tia Gasy ianao ary inona koa no ampiasanao
Gasy?? Mazava ho azy izany fa io vazaha io dia tonga eto exploiter
Gasy fotsiny ka amiko manokana izany, tena hitako fa justifie tsara
ilay fomba fanaovanao hoe 'aza mi se laiser faire' rehefa mifanatrika
aminy fa ataovy enony hoe tsy an`azy anie ity Gasikara ity. Mety hoe
betsaka ny Gasy eto @ forum hoe tsy tia ny fombanao, kanefa, amiko
kosa, dia tsy mety izany hoe taninao ve ity dia enao Malagasy indray
no andefitra no mbola sady ambaniana...sanatria.

Mikasika an`io ambassade de France io indray dia efa malaza manambany
Afrikana mihitsy izy io, indrindra moa aty Afrique francophone aty.
Nisy olona izay tsinina fantatro, efa 2 mois lasa izay moa....narary
io olona ka nila traitement tany ivelany, dia mazava ho azy fa nila
nangataka visa izy. kanjo ela dia ela vao nival ity visa ity satria
nilain`ireo frantsay ireo vanona ilay olona ka tara be vao tafahala
teto M/scar. Noho izay, dia efa grave be ilay aretina vao tonga tany
izy, ary ilay traitement tsy dia nahomby intsony. Maty ilay rangahy
noho izany ary namely kamboty.

Ny point-ko dia tsotra: Maninona moa olona efa marary izany mbola
ampiandrasina? Fantatra io iolona io hoe tsy ho hanao clandestin any
mihitsy (olona manana asa io olona io eto ary efa plus de 50 ans).
Marina fa mety hoe somary 'extreme' ny action raisinao camarade @
soso-kevitra hoe ahaona no tokony havaovana an`ireo frantsay miseo
manambany eto @tsika, fa izaho manokana, mahita fa rehefa tsy manao
an`ny rariny ireo vazaha reraka ireo, dia aleo omena faisana any
mihitsy fa tena indraindray diso trop loatra koa ny fanambanian`ny
sasany @izy ireo Malagasy.


Ka samy tsika miheritreritra fa ny ahy aloha raha misy miseo minambany
eo, ataoko tonga saina mihitsy ary voamaika ambaniako. Omaly hariva
izao, tao @io score ankorondrano io, nisy frantsay vavy izay
mirotoroto be ary mampiseo mihitsy hoe 'nareo gasy indray dia tsisy
fotony fa olona mainty kely daholo'. Fa tena hitako izy iny hoe tady
haka an`ilay entana farany teo, fa tsy menatra ahy ni doubler azy ka
tonga dia nataoko izaho no nahazo an`ilay entana (fromage farany teo
ila izy), any izy ka tsy hitany izay natao fa heveriny angamba hoe
Gasy ity dia tsy mahavita manohitra an`aho.
T@ herinandro lasa teo koa, nisy fiaran`ny ambassade frantsay izay
niseo milay...vazaha no mitondra...tsaika irotoroto hanao be loha
fotsiny tetsy Alarobia tetsy fa tsy mahay mi-patienter aotran`ny olona
rehetra fa angamba hoe mihevitra azy ho vazaha. Sady tsy mety
mihemotra izy io fa ilay gasy no tadiaviny anao marche arriere. Izaho
moa zara fa nihembotra @zay izy io fesona eo va tafavoaka. Sahy ahy
satria ratsy ny fiarako ka aleo izy andona eo raha sahy fa ny an`azy
no fesona eo. rehefa nifanitsy ny varavaranay, norarafako hoe 'pauvre
con'' fa tsy sahy nanohitra, satria angamba izy irery no hitany koa
ahy hoe olona sahy-sahy. Ambon`izany koa moa, izaho tsy hanao
application-na visa ho any Frantsa ka inona moa no hifezahako azy?
NY mahavoa antsika gasy koa indraindray diso malefaka loatra sy tsy
sahisahy, any ka araraotiny tsara. Misy orinasa izay, frantsay koa io
orinasa io ary manao an`ireny publicite ireny izy io (ao antanimena
ao). Ao koa, malaza mihitsy hoe manambaka gasy ry jareo @ lafony
karama kanefa hono ny asa tena bobaka. Tsy vitan`izany koa fa ilay
vazaha miasa ao mampifilafila @ karama hono raha tsy hoe matory
miaraka @ny mpiasa ao @io orinasa io. Ka hitanareo @izany ny adin`ireo
vazaha eto: mampikarama ambany kanefa izy mahazo tombony betsaka eto @
nosin-tsika....hiarahana mahita angmaba fa misy zavatra tsy rariny
izao, na @ireo orinasa vazaha sasany eto, na @ ambassade, na koa @
ireo mpandraharaha vahiny sasany, na koa, amin`na orinasa frantsay
lehibe izay tsy miraharaha an`ity Nosy ity fa faly maka profit fotsiny
(hotels frantsay sasany ireny, orinasa petrolier mitrandraka petrole
any Melaky ireny ka malaza hoe mandoto, manimba environnement sy
manambaka Malagasy fotsiny (Jereo fotsiny amin`izao:
http://www.gn.apc.org/network/news/say-no-totals-mining-plans-madagascar)).

Ka jerevo @ ireo fihetsika madinidinika tsy mihendrika ireo aloha ny
resaka fa maro amin`areo angamba no mandio hoe rarany raha tezitra
ireo afrikana any burkina faso sy cote d`ivoire ireny. rariny ihany
koa raha betsaka izao ny gasy tsy tia hierika an`i la Frantsa intsony,
ary efa misy koa gasy sasany aza tsy mandeha mianatra any intsony
mihitsy, no sady miteny anglisy izy miverina eto. Misy koa ny sasany
alaony any Malaisie no mitsabo tena na toerana hafa satria izy marina
moa no hijaly hiandry fatin`na visa eto? Normal be mihitsy izany amiko
satria iza koa moa no ampifilafilain`ireo Frantsay ireo ao @io
ambassade ratsy sady mikorontana io? Jerevo ity izy aotran`ireny
tranon-dopy ireny. Marina ny anao camarade fa mila mampiseo fitezerana
mihitsy satria isika Malagasy ireto dia mitaraina fotsiny fa tsy mba
manao action izany rehefa hoe vazaha ilay manao loha be!! Rehefa isika
samy gasy nefa jerevo!!
Izany no ataoko hoe aoka izay ny fitarainana, fa hanaovy geste
maherihery (tsy voatery hoe manompa azy enao na hoe voatery mamono),
fa juste geste simple hoe aza manaiky ho ataony fotsiny dia efa ampy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9591