rakitr'i Flacourt.. ombay mamaky hoe e..

21. Strong3 ( 10/03/2015 12:56)
modia kely aty dia ho hita eo hoe misy ireo hery ireo na tsia eh... rehefa tsy mino dia tsy mino fa tsy mody mino eo indray , sa ilay baiboly mihitsy no manahirana fa be famefimefena hihihi...
22. rhaj0 ( 10/03/2015 12:58)
Ka mino izany i Strong3 fa misy Jiny ireo toerana "manan-jiny" ???
(tsory f'aza mihodikodina an...)
23. rhaj0 ( 10/03/2015 13:32)
Strong3 oooo?.. aiza oooo?... aza mitsoaka Jiny oooo...
24. rhaj0 ( 10/03/2015 15:03)
Entre-pa fa mampalahelo (ahy) mihintsy anie ny Kristiana e...

-- raha "mino" ireo Jiny sns ireo, dia... f'angaha izany ao anaty Baiboly ??
---> Kristiana-mpanota.. mpanota!!! minomino raha TSY anaty Baiboly!!!!

-- raha "TSY mino" ireo finoan'ny r-a-d (-n'ny r-ad-n'ny r-a-d...) indray anefany dia hoe, izany angaha tsy hoe manivativa ny (finoana) r-a-d.. dia ahoana nefany hozy ny Baiboly: Manaja ny Rainao sy Reninao !!!
---> Kristiana-mpanota.. mpanota!!! mandika ny Didy!!!!


25. vahiny2004 ( 10/03/2015 15:33)
rhaj0:

Entre-pa fa mampalahelo (ahy) mihintsy anie ny Kristiana e...





Ny kristiana koa izao malahelo anao mihintsy




26. rhaj0 ( 10/03/2015 19:45)

Eny azany e... tsy mampme fa mampalelo e...

- "ino" sa "TSY ino" ??? (ny Jiny sns...)
- "manota" sa "TSY manota" ??? hanivativa ny (finoan'ny) r-a-d sa hanaja azy ireo ??
aoka azany e...
27. rhaj0 ( 10/03/2015 19:48)
aoka azany ho'a ...
28. Strong3 ( 11/03/2015 07:48)

rhaj0:

Ka mino izany i Strong3 fa misy Jiny ireo toerana "manan-jiny" ???
(tsory f'aza mihodikodina an...)


Fantatray mihitsy ny Jiny ry rhaj0 ah... rehefa tontolo ara-panahy dia azo azo antsaina daholo ny fisiany.
mbola misy aza ny zina :p fa izany hoe nareo moa efa vaza-gasy ka tsy mahalala ifotony fa doc no mba hahalalanao zavatra.

29. endriny ( 11/03/2015 14:12)

rhaj0:

1- Malaingka -- izay toa ny Anges
2- Coucoulampo (Kokolampohy?) -- izay toa ny Lutin/Fee
3- Dziny (Jiny?) -- izay toa ny esprit (revenant)
4- Loulouvocarts (Lolovokary?) -
5- Angats( Angatra?) -- izay toa ny fantôme et spectre
6- Saccare (sakary?) -- izay esprit malin
7- Bilis -- izay marobe hono, ary manana rafitra (misy superieur) -- izay toa ry Satan, Lucifer ...


1) Malailainga (izay sampy nantsoina koa hoe Tsitialainga)
2) Kokolampy (ireto no mpiandry Tanana sy saha... antsoina ihany koa hoe kalo amin'ny faritra hafa)
3) Jiny dia vorona manana hery manokana ary misy afo ao ambany elany ka mety mamono mihintsy aza, mandeha alina izy ity ary any amin'ny faritra Mananjary no midiina no tena misy azy ity
4) Lolovokatra na vokatra: no iantsoana ireo olona efa maty kanefa mitsangana indray. Ara-tantara dia ozona tamin'ny adin-tany no nahatonga ny tarak'ireto vokatra ireto ho vokatra. Any Androy sy ny Bara no tena misy ny vokatra.
5) Angatra na Angatsy amin'ny teny Tandroy
6) Sakare (mety avy amin'ny sakari na sacret): Toerana misy ireo lolololo mamerivery olona
7) Bilo: Dia ireo fanahy mipetraka amin'ny olona ka mahatonga azy tsy tompon'ny tenany intsony fa manao dihy na hiaka na fihetsika mampitahotra izany.
8) Vaziry na Azary (adinonao). Ireo olona masim-bava tsy azo anaovana ratsy ka anisan'ny nahatonga an'Anivorano Avaratra ho Anivorano.
30. booboo ( 12/03/2015 08:44)
Endriny > wah ! merci nizara. Naninona ilay 8) no lasa 8) fa tsy azo tsy araka tsy mazava. re-merci a.
31. rhaj0 ( 12/03/2015 13:03)
[size=8] Entre-pa... miverina kely @ hoe "finoana/fivavahana" eto, izay @ Kristiana gasy (sasany) mandalo eto, dia tokony ho resaka "fivavahana kristiana" ihany no azo resahana eto.[/size]

Mino ny Malailainga k'lou ny Kristiana (anjely hono ireo), dia mino koa ny Bilo (devoly hono ireo).

Fa ny fanontaniako izao dia izao: "mino" an'ireo Kokolampy, Jiny, Lolovokatra, Angatra, sakare (ary Bilo) koa ve ny Kristiana ??

Satria mantsy TSISY an'ireo ao anaty Baiboly (na ny TT), ka dia, io ho'a hoe:
"mpanota" ve ny Kristiana raha "mino" raha TSY ao anaty Baiboly ????
32. endriny ( 12/03/2015 13:07)
booboo> Efa noresahin'i Rhaj0 ihany io vizier na vaziry na azary io... Io dia olona masin-teny teo amin'ny fiarahamonina. Ary dia hajaina sy inoana fatratra tokoa. Iray tamin'ireto Azary ireto no nandalo tany Anivorano Avaratra taloha ka nahatonga an'Anivorano ho Anivorano. Toeram-ponenana no teo taloha, ary nisy nipetraka.

Saingy indray andro dia nandalo ny azary ka nangataka rano dia tsy nomen'ny mponina tao. Tezitra noho ireto olona ireto niavonavona ny azary ary niteny hoe: "Raha tsy manana rano ianareo dia aleo omeko betsaka". Rehefa dify ny tendrombohitra ilay Azary dia lasa tototry ny rano ilay Tanana ary dia niova Voay ny mponina tao. Teny am-pandehanana anefa dia nifanehitra tamin'ny havan'ireo tompon-tanana efa tototry ny rano ity Azary. Nanontany ny voalohany hoe: "Manao akory ry zareo an-Tanana ao?". Dia novalian'ilay Azary hoe: "Ao Anivorano ao" (Izany hoe ao ampovoan'ny rano ao). Noheverin'ny havan'ny tompon-tanana fa tsy nifankahazo ny resaka ka dia loso nanohy ny dia ry zareo. Vantany vao tonga teo amin'ny havoana mahatsinjo ny Tanana anefa ry zareo dia gaga fa nahita farihy fa tsy Tanana intsony. Dia nijanona mandrake ankehitriny ny anarana Anivorano.

Ary ny Voay dia ny havan'ireo olona mipetraka manodidina ihany. Ka misy fomba isan-taona ifampizarana hena atao amin'ireo voay ireo.

Gaga ianao raha mandalo any, fa ny lohan'ireo voay ireo dia fohy mihoatra ny voay fahitanao an-davan'andro. Fady kisoa sy vilany mainty ny toerana raha sendra mandalo any Ianao...

Eo avaratr'Ankarana-Ambilobe no misy azy.
33. booboo ( 12/03/2015 21:27)
( Endriny > misaotra e. Misy ho tantaraina ny kilonga rehefa alohan'ny hatory :-D, no nahay raha vaovao. )
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1148