Fa iza marina no mitondra an'ity firenena Malagasy ity e ?

1. rabaradaka ( 25/02/2015 07:49)
In'efatra androany no nametraka an'ity fanontaniana hoe iza marina o mitondra an'ity Madagasikara ity.
Izao mantsy, milaza i Rivo Rakotovao fa izy no tena mibaiko ny lafiny rehetra, izay no mahatonga ny PRM Hery haka ny heviny foana sy handoalika eo anatrehany mihitsy.
Miteny ihany i Rivo fa ny PM Ravelonarivo izany saribakoly fotsiny fa izy no tena patron ary baikony hatramin'ny PM.
Fa ny base ao amin'ny HVM kosa anefa tsy manaiky azy satria tsy voafidin'ny mpikambana HVM io fa nanolo-tena na nanangan-tena ho Filohan'ny HVM.
Hiparitaka ity firenena ity raha izao no mitohy ary hihetsika amin'izay ny vahoaka madinika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5184