Ny niafaran'ireo virijiny adala 7 sy ireo virijiny hendry 7 any an-danitra ilay fiainantsihita

21. rhaj0 ( 02/03/2015 14:07)
Dia mivaninika irery ato ho'a za.. sao mba te-hivanitika miaraka amiko iana(re)o ... :-)

Dia ilay hoe #JeSuisVierge, izay TSY ahasahian'i Strong3 (sy ry Hery) ijoroana... Ka izaho mpijery ireny jeu televisE ireny, dia misy iray izay hoe, asorona daholo ny voyelle iray @ ilay fehezan-teny, dia fantaro azany inona ilay fehezan-teny..

Ohatra.. raha asorina daholo ny litera "i" @ ilay twitter mahamenatra an-dry Strong3 (sy ry Hery) hoe: [size=16]#JeSuisVierge[/size]...
Dia inona no azo ? :-)
22. endriny ( 02/03/2015 15:44)
Jesus le verger, fa ianao ry Rhajo no ratsany a... ahahahahhaha
23. rhaj0 ( 02/03/2015 16:30)
:-) ... diso !!!... nampianao "r" ny farany... ;-)
24. Strong3 ( 03/03/2015 07:21)
sain-jaza tssss
25. rhaj0 ( 03/03/2015 11:23)
ok ok... Ka ahoana ilay #JeSuisVIerge azany e... toa tsy mahasahy mirehareha ho virijiny akoriny ry Strong3 nefany be fankalazana hoe izay mihintsy ilay izy.. :-)
Fa dia maninona koatrany azany...
26. Strong3 ( 03/03/2015 13:04)
tsy azoko eh... mba mamakia ihany baiboly hoa eh

ny Mat 4 mba vakio ihany fa misy lesona nomena an'i kristiana ao ; fa tsy dia hoe ... na ilay filazanao hoe "mirehareha aza dia efa mahakamo ahy ny hidtra amin'ny fandrika be ataonao" hihihih
fa ilay fanahy atsy ary mba valio kely e
27. rhaj0 ( 03/03/2015 13:27)
say it.. say it... mirehareha izaho Strong3 fa Virijiny... come on.. say it... :-)
28. endriny ( 03/03/2015 15:18)
Ary maninona ho'a raha atao indray hoe Verijean e... dia amin'izay mba ohtran'ny hoe mitanjaka fotsiny, fa tsy miditra lalina?
29. Strong3 ( 04/03/2015 10:54)
you know ... you know ...

« dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Matio 4:6)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Matio 4:7)
I m as u rhaj0, ... r u have a spirit ? :p hihihi misy fanotaniana tsy hainao valiana satria ...?
rhaj0:
say it.. say it... manana fanahy za rhaj0 hoe; come on ... come on.. say it...
30. rhaj0 ( 04/03/2015 13:35)
http://dictionary.reference.com/browse/spirits?s=t
spirit/?sp?r?t/noun
1. (often pl) any distilled alcoholic liquor such as brandy, rum, whisky, or gin

izaho TSY mpisotro toaka re ry Strong3 a.. na divay azany tsy voako fa 12% alikaola io.. f'n'enao moa hozy ny Baiboly hoe domy ny vera dia ao ianao... hitako no inspirE be io foana .. manary "jean" mihintsy :-)
31. endriny ( 04/03/2015 14:13)

rhaj0:

izaho TSY mpisotro toaka re ry Strong3 a.. na divay azany tsy voako fa 12% alikaola io.. f'n'enao moa hozy ny Baiboly hoe domy ny vera dia ao ianao...


Fa ianao ry namana vao nijery toaka fotsiny ianao, ary indrindra moa namaky soratra sy nandray ilay tavoahangy misy toaka dia efa naman'ny mpisotro toaka ianao...

Ihihihiihih
32. Strong3 ( 09/03/2015 07:28)

rhaj0:

http://dictionary.reference.com/browse/spirits?s=t
spirit/?sp?r?t/noun
1. (often pl) any distilled alcoholic liquor such as brandy, rum, whisky, or gin

izaho TSY mpisotro toaka re ry Strong3 a.. na divay azany tsy voako fa 12% alikaola io.. f'n'enao moa hozy ny Baiboly hoe domy ny vera dia ao ianao... hitako no inspirE be io foana .. manary "jean" mihintsy :-)



nga tsy tsaraoanao fony ianao nianatra sekoly alahady fa ny mpianatra koa mba lazain'ny olona mamon'ny spirit rehefa nirotsahana ny fanahy masina, ka sao mba fanahy ... ity tsy mampisy fanahy ny tsy mino ity sa moa hoe tsy mino ny fisian'ny fanahy ao amin'ny olona sa mbola tsy hay hoe tena misy fanahy fa mbola miandry ny big bang hanazava ianao vao ahalala tsara?
hihihih raha tsy misy moa izany ny anterneto dia inona no ataon'ny olona mandroso? ... izy aloha tsy hiverina amin'ny boky kely mangeja ny feon'ny fieritreretana intsony eh ... isao ny soul lasa toaka (souléé) :p
33. fidinirina ( 16/03/2015 09:52)
Strong3:

Mila hay hoa ny zavatra toherana fa tsy ny tohanana ihany

Tadidiko tokoa rehefa nanao fanadihadihana lahatsoratra dia nasaina novakiana tsara aloha ny lahatsoratra ary naverina in-droa na in-telo mihitsy aza. Dia izay vao afaka nahafantatra hoe: inona no tian’ny mpanoratra ho lazaina. Ary tombony lehibe ho anao raha nahafantatra mialoha an’ilay mpanoratra ianao mba ahafahanao miresaka ny momba azy. Fa toa sarotra hoan’ny tsy namaky n’inona n’inona (tsy nisy zavatra novakiana, tsy mahalala ny mpanoratra), nefa hitsikera na hanohana hevitra.

Ny sora-mandry ao @ Baiboly dia mazava tsara: Ny fanoharana ny amin’ny virijina folo.
Tsara ho marihina, hafatra ho an’ny kristiana izy ity fa tsy ho an’ny jentilisa.
Matio 25:1-13:
Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany [Na: fanilony] ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.

Ny virijina dia oharina amin’ireo olona efa nandray an’i Jeoa Kristy tao am-pony, efa nodiovina t@ ran’i Jesoa (I Jaona 1:7,9 …ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra…raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra) ary efa miandry ny fahatongavan’i Jesoa Kristy haka azy ireo rehefa ho avy ny andro.
Izao anefa, na dia efa nandray aza izy ireo dia tokony mitazona izany mandrakariva.
Ny fanala dia oharina@ mazava (fahazavana) satria izany no nataon’Andriamanitra dia ny nitondra ny fahazavana. Raha adika dia ny vaovao mahafaly (tenin’Andriamanitra), ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy, sy fanantenana ny @ fiainana mandrakizay. Fahazavana ny @ fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny solika dia oharina@ fampianarana maro samy hafa, ny toriteny sy famakiana ny tenin’Andriamanitra mba ho sakafo/vatsim-panahy isan’andro hamelomana sy hitaizana ny finoana efa nananana.
Ny andro alina dia oharina@ maizina: fahamaizinan-tsaina, fahamaizinana ara-panahy; satria misy ary mbola betsaka ny olona manodidina ny kristiana milaza azy ho afaka sy malala-tsaina saingy ao @ fahamaizinana tanteraka – tsy mahita ny asam-pamonjen’i Jesoa Kristy, jamban’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao.
Ny fampakarana dia oharina@ fotoana ahatongavan’i Jesoa Kristy, tsy misy mahafantatra saingy tokony ho vonona mandrakariva hitsena Azy.
Fehiny:
Ireo virijina dimy adala, na dia efa kristiana aza dia tsy niomana na tsy nitandrina tsara ny zavatra efa anananany eo am-piandrasana ny fihavian’ny Tompo. Koa lazaina izy ireo fa adala. Tokony mitazona ny fahazavana (finoana) mandrakariva, maharitra na oviana na oviana, vonona ny @ izay mety hiseho (sao dia sanatria ho tratry ny maizina miseho eto amin’izao tontolo izao).
Ity no hafatra hamaranany azy:
Matio 25:13:
Koa amin’ izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

34. Strong3 ( 16/03/2015 10:18)
toaka hoe no ao anatiny fa tsy fanahy ! mdr...
tsy mpisotro toaka fa mamo hoazy :-) kay moa , hafa indray le ranamana mpisotro toaka atsy fa ny azy pseudo fotsiny koa fa izy tsy misotro hono
35. endriny ( 17/03/2015 10:18)

Strong3:

toaka hoe no ao anatiny fa tsy fanahy ! mdr...
tsy mpisotro toaka fa mamo hoazy :-) kay moa , hafa indray le ranamana mpisotro toaka atsy fa ny azy pseudo fotsiny koa fa izy tsy misotro hono


Mamo ohatran'ny akoho voakapoka kosa aloha ny olona rehefa lava loatra ny toriteny mandritry ny andro fety e...
36. Strong3 ( 17/03/2015 11:46)
ka rehefa samy ao amin'ny tropao ao dia samy makafoka daholo ... miala avy eo dia mamonjy fidomam-bera sy ny tariny
avy raisina mpandray fanasan'i tompony dia manao bal sy katrikatry dia hoe mifaly toa ilay tao kana hono

___ fa rahoviana hoa no mivoaka ny fikarohana hoe tena misy fanahy ve ny olombelona? de raha misy dia aiza no misy azy ao antin'ny olona ao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2128