Misy olona mankahala ny siansa kanefa nianatra Teolojia ve?

21. Strong3 ( 04/03/2015 10:21)

rhaj0:

ampinoana ianao fa "marina" daholo ny ao dia mino tokoany.. dia hoana hozy ny intellect-nao ao @izany...


dia sahy milaza ve isé fa tsy mba toa izany ny fahalalana rehetra... ny marina omaly disoan'ny androany
fa hatreto aloha dia mbola tsy nisy fahalalana vaovao nahadioso ny baiboly. fa fanoherana pary histérika daholo no betsaka

efa averina amin'ny sasany fa ingahy platon sy aristaoty no nanilika ny téolojia tsy ho ao amin'ny sampam-pikaroham-pahalalana lehibe. ka ny mpivavaka mino ny fisiana hery tsy hitamaso no lasa nitondra ny titre hoe natao hoan'i relisiona izy io. ka na dia fahalalana aza ny dikan'ny science dia tsy noheverina ho tohin'ny siansa ny teolojia fa toa absudité , ka tsy niasan'ny mpikaroka ara-materialy lanjany teo amin'ny fiarahamonina. fa ny tsy afaka amin'ny math phy no miondrana amin'ireny. fa na dia ny filôzôfia aza dia efa voahilika ankehitriny satria efa tsy maharaka ny siansa intsony (izany hoe ilay vohambolana siansa eto angamba no tsy mazava aminao ka ampisamotofotoanao ny hevitra... milaza fikarohana ara-materialy izy raha ilay resaka mandeha eto no itenenana azy)
22. rhaj0 ( 04/03/2015 11:07)
Strong3:
dia sahy milaza ve isé fa tsy mba toa izany ny fahalalana rehetra... ny marina omaly disoan'ny androany

F'angaha tsy hoe "absolu" indray ny "marina" ao @ finoana e ? "izay voasoratra dia voasoratra" ??

[size=8]esy e... kitikitihan'ilay sainy ny (pli-)vavan'i Strong3 ka manaiky (ao @ subconscient-ny) ihany i Strong3 ny @ paikan'ny Siantista... hi hi hi.. [/size]
23. Strong3 ( 04/03/2015 11:44)

rhaj0:

Strong3:
dia sahy milaza ve isé fa tsy mba toa izany ny fahalalana rehetra... ny marina omaly disoan'ny androany

F'angaha tsy hoe "absolu" indray ny "marina" ao @ finoana e ? "izay voasoratra dia voasoratra" ??

[size=8]esy e... kitikitihan'ilay sainy ny (pli-)vavan'i Strong3 ka manaiky (ao @ subconscient-ny) ihany i Strong3 ny @ paikan'ny Siantista... hi hi hi.. [/size]


izay ve ilay diakany sa sambosamborina araka izay ilay resaka? hihihi
ny finoana dia manana ny absolu-any. fa ny zaza vao mandady tsy ahatakatra izany ka mitoetra toa antanantohatra ny fahatakarany ... indrindra ireo mpanaradrenirano dia tsy ho tojo io marin'ny finoana io mihitsy raha tsy miala ao anaty troupeau ao!
24. rhaj0 ( 05/03/2015 15:58)
rhaj0:

dia i Strong3 izany TSY ao anaty troupeau an... iza @ ireto azany i Strong3 ooo ...



sa indray..

25. endriny ( 05/03/2015 16:27)
Ny finoana ange tsy hoe fahamarinana e, ary tsy hoe marina ihany koa araka ny efa nolazaiko. Ny finoana zavatra iray dia tsy midika hoe misy ilay izy na tsia, na marina ilay izy na tsia,

Ny olona eny aminay raha mifanena amin'ny olona vahiny ao anaty alatapia dia mandositra... tsy kely tsy lehibe, tsy antitra tsy tanora... Satria mino izahay fa mpaka ra sy mpaka fo io olona mifanena aminay io...

Fa izay ve no marina?
26. Strong3 ( 09/03/2015 08:16)
endriny:
ny finoana ange tsy hoe fahamarinana e, ary tsy hoe marina ihany koa araka ny efa nolazaiko. Ny finoana zavatra iray dia tsy midika hoe misy ilay izy na tsia, na marina ilay izy na tsia,

saika marina fa disoiko tanteraka na dia misy marina kely aza.
__ rehefa doudou dia mora ampinoana zavatra diso, i eva sy adama koa mba voa.
« Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy. » (Romana 10:17)
rehefa tsy maripototra ny zavatra renesinao sady mbola tsy fakafakainao dia izay no maha-doudou anao mora minomino foana; ny Asa 17 « Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia. » (Asan'ny Apostoly 17:11)
__ io ilay lazaiko foana hoe: mila fifantohana ny mivavaka fa tsy téoria be fotsiny ka mora ambakain'ny kristiana bizinésimanina hihihhi

27. Strong3 ( 09/03/2015 08:25)
« Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? » (Asan'ny Apostoly 8:30)
« Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana] » (Asan'ny Apostoly 8:31)
« Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? » (Asan'ny Apostoly 8:34)

ny tena kristiana dia manadihady vao mino... fa tsy mihinana izay hanina atolotra fotsiny
hoy petera: « Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. » (Asan'ny Apostoly 10:14)

ianareo sy ry sitlo ary rhaj0 izao dia tena mafinaritra satria toa ireo tena kristiana , tsy mety mino maty raha tsy avy mandevina, __ fa ny mahalasa saina ahy fotsiny sao " atoandro fitery ronono ka ...."
Manda ny hita nefa tsy manana fototra hifaharana fa mbola eo ambandinihina miandalana ny marina izay antenaina hiseho fotsiny eo.. indrindra fa i rhaj0 fa ianareo sy sitlo moa za ny dia manaradrenirano koa eto :p
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2825