Mazava fa tea hery famoretana ny BIANCO

1. rabaradaka ( 20/02/2015 11:33)
Mibaribary fa ataon'ny mpitondra eto Madagasikara ho hery famoretana sy fampitahorana ny vahoaka madinika sy ireo tsy eo amin'ny fitondrana ny BIANCO. Rehefa ny olon-tsotra no misy mitory eny amin'ny BIANCO dia dodona ery ry zareo mandefa convocation fa raha olona ambony dia tsy antsoina akory fa dia ampandriana ny resaka.
Bois de rose ataon'ireo mpitondra : Jaovato, Mamy Ravatomanga, Hajo Andrianainarivelo, Camille Vital, Monja Roindefo, izao dia ny zandrin'ny Filoha Hery no mitazona ny famoahana azy io.
Tokony ho ravantsika vahoaka io BIANCO io fa tena hery ratsy sy fampitahorana ny vahoka fotsiny.
Homentsika fotona firy ny mpitondra handrava an'io BIANCO io ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4077