Hajao ny tenindrazana raha tianao tafita ny teny Malagasy sy Madagasikara, efa hita ao Google ny fandikanteny Malagasy na dia badraondra sy tsy tonga lafatra aza, mbola mila fanatsarana matotra

1. saho ( 14/02/2015 18:37)
Raha tianareo ho tafita ny teny Malagasy, sy Madagasikara dia teny Malagasy hamarino tsara, fahaizana mamakafaka amin ny tenimpirenena Malagasy, ataovy tian ny Malagasy ny tenindrazana, hajao ny tenindrazana, hajao ny hay amanjery ny fombandrazana na ny koltoraly momba izany toa ny fahaizana ohabolana, fahaizana mamelabelatra izany na ny fahaizana mahatakatra lavitra ny dikany, fahaizana ireo harena ankibon ny tany na ivelan ny tany (ranomasina, zavaboary sy biby sarobidy, toerana hafa kely tsy fahita eraky izao tontolo izao sns...) misy any Malagasy fa ireo no tena ho avin ny Gasikara amin ny teny Malagasy,fahaizana ny tantara Malagasy nisy ary misy ary ny hisy
Manana ny mahaizy azy ny teny Malagasy na dia tian ny sasany fafana tanteraka na atao ankilambao satria ve hoe teny Malagasy ofisialy teny Merina

Betsaka koa ny teny foko hafa azo hianarana na atao anaty fampianarana ny teny Malagasy,

Betsaka ary ireo vahiny efa miteny Malagasy na ny te hianatra izany, efa misy ao Google koa ny fandikanteny Malagasy amin ny teny iraisampirenena na dia mbola badrodra sy maivana be aza le fandikanteny ao google, tsy tonga lafatra le fandikanteny fa mbola tena niveau primaire be


Amiko ny tenindrazana aloha no voalohany mila hain ny mpianatra sy mpampianatra Malagasy izay vao teny hafa. Raha te hiala Francophone i gasikara, na dia lazaina aza hoe mahaleo tena tamin ny taona 1960 dia io no hazondamosina voalohany hialana aminy miankindoha lava, ny teninao hajao hatsarao tiavo....izay vao ny teny hafa

Afaka mianatra teny hafa ary ilaina ny teny anglisy raha resaka iraisampirenena, misy anefa ny mpandikanteny miasa izany fa tsy dia ilaina loatra raha ny fahaleovantena tsy miankindoha no tratrarina
Ny resaka fandikanteny teknika teny Malagasy no mila fahatsarana, inona avy no teny teknika avo lenta tsy hay hadika amin ny teny malagasy ohatra, mety be dia be, ary ilaina fahaizana avo lenta izany


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.2647