« Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jao.3:16)

21. RBNIR ( 24/12/2014 01:38)
22. moustaraf ( 24/12/2014 11:35)
Iza no mba manao an'ireny site web tsy fanta pototra ireny?
Tsy izay inoana fa marina anie no marina e!
Ny mpanao tromba dia mino amn fony rehetra fa ny azy no marina, ary any amin izy ireo no misy ny famonjena. Midika ve fa izay no izy ?
Tsy hoe rehefa mihizingizina be sns de manana ny marina!
Tsy vao izao anie izany jesosy kristy izany no niseho tamn izatsy sy zaroa e! fa rehefa porofoin dia ilay lava rambo no ao ambadika.
23. RBNIR ( 24/12/2014 14:34)

moustaraf:

Ny voany no hamatarana ny hazo namana, efa nanaraka tsara ilay fampianarany v ianao namana? mahita hokianina ianao fa tsy 100% mitovy amin'izay nampianariny fahiny ilay izy?
Sa dia takon'ilay anarana ny masonao....?
24. moustaraf ( 24/12/2014 16:47)
Mazava be ny voasoratra, "tsy misy anarana hafa eto ambany masoandro azahoana famonjena ankoatra ny Yeshua "

Fanahy sandoka sy mpisoloky izay mitory Anarana hafa, na inona filaza na inona fanaporofoana.
Tsy izaay olona isehoan javatra akory no hanova ny faminaniana efa nolazain'ny mpaminany, matoa manova dia tsy ilay tamn voalohany akory izany.

Tsy fantatr'ilay mpaminany ve fa taty amn taonjato faha 2,3 taty aoriana no nipoiran'izany anarana izany??
dikany :
Ny apostoly sy ny fiangonana naoriny dia tsy mahalala io jesosy kristy io e!
Eny fa na izy tenany aza dia naminany fa ho avy ilay "hanova andro sy fotoana " ary hanova anarana "

Tsy mbola nisy valiny ilay fanontaniana, midika inona ilay anarana rehefa novana "jesosy"??? teny grika
25. RBNIR ( 26/12/2014 10:40)
moustaraf:

Tsy fantatr'ilay mpaminany ve fa taty amn taonjato faha 2,3 taty aoriana no nipoiran'izany anarana izany??

Andriamanitra akory tsy adala, raha ampianatra grika Izy tsy teny hebreo no ampiasainy, raha hampianatra frantsay Izy tsy ho teny hebreo akory no ampiasainy..Dia otran'izay daholo!
« Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo? » (1 Kor.14:23)
« Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra; » (1 Kor.14:24)
« ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa. » (1 Kor.14:25)
I paoly raha nitory ilay hoe Yeshua, tsy maintsy nanazava izay "dikany" tamin'ny tenin'ilay hafa firenena aloha mba ho fantatry ny olona ny tena heviny marina. Dia teo no nipoiran'ireo Anarana hafa rehetra satria "tsy maintsy nadika ilay izy ry namana a!"
Ary izaho mino fa ny manavanana ny olona kokoa dia Ilay dikan-teny amin'ny fitenim-pireneny fa tsy ilay original koa averiko ihany Izy aza tsy sarotiny.

Izay manana maso aoka hahita, Izay manana saina aoka hisaina!
26. moustaraf ( 26/12/2014 14:11)
Andriamanitra tsy adala ve? adala ka
Elohym no tsy adala!

Ny anarana ry namana tsy azo adika a! ary tsy azo ovana a! Yeshua dia mijanona ho Yeshua ihany o! Ny anarana raha ovaina na dia litera iray monja aza dia diso!
"Ny tenin' El dia TSY AZO OVAINA, ka ny anarany sy ny anaran'i Meshirha dia IZY tenany no nanome azy ao amn TORAH " io ilay nohamafisin'Yeshua rehefa tonga izy horme "tsy misy ho foana na dia tendron tsoratra iray aza ", ka raha YESHUA no niova jesosy, FIRY SAHADY NO NIOVA?

Raha nadika ary hoy ianao ilay anarana, mba omeo eto ary ny dikan'ilay jesosy??? toa tsy mety azoko ny valiny hatreto o!

be dia be ankehitriny ireo mitoriteny amn teny frantsay, anglisy, arabo, sonoa... toa tsy manana olana akory amn fanononana ny YESHUA!!! ka ianareo ve no bada lela indrindra eto an tany no tsy mahay manonona???
27. RBNIR ( 26/12/2014 18:38)
Eny ary namana moustaraf, raisintsika hoe andeha hitory ianao (ho an'ireo tsy mahalala) ohatra raisintsika hoe i paoly ianao fa tsy maninona tonga ao grece dia mitory,
Mitory aminareo ny momba an'i Yeshua aho, Yeshua izay midika hoe Yeshua. Satria tiany ho fantatry ny olona fa mpamonjy no dikany.

Izao mino fa izao no nolazainy mitory aminareo ny momba an'i Yeshua aho Yeshua izay midika hoe ?????? amin'ny fiteninareo grika....
Raha vao nahare an'io ny grika dia noraisiny avy hatrany....Ary i paoly koa rehefa nanorantra ny epistily dia tsy maintsy nanazava otran'izay tamin'ireo hafa firenena rehetra satria lojika be izany e, ny olona tsy hahafantatra ho azy izany mihitsy hoe Yeshua = mpamonjy raha tsy azavaina amin'ny alalan'ny teniny ilay izy...

Raha mandà an'io ianao dia mba lazao ary hoe ahoana no fomba nampitain'i paoly tamin'ireo grika fa mpamonjy no dikan'ilay Yeshua??? Izay ilay hoe traduction du mot hebreux namana....

Sa sao dia tsy misy ny fitorian'i paoly koa ao aminareo fa sao mantsy tsy mitory afatsy ho an'ny jiosy ihany ianareo fa i paoly dia voafidy hitory ho an'ny jentilisa (otranay)...tsy mahay teny hebreo...Tsy miambo ho jiosy satria hatahorako mafy tokoa ity teny ity « Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3) » (Apok.2:9)

28. RBNIR ( 26/12/2014 18:43)
Raha io teny io mantsy dia misy "hono" (fa tsy hoy aho) olona milaza ny tenany ho Jiosy dia miteny ratsy"???? otran'ny mampitahotra ry namana moustaraf an!
Izaho mantsy izao manompo an'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Rainy ary ny Fanahiny Masina nefa otran'ny mahita tokoa aho fa misy hono Jiosy miteny ratsy an'ireo????

29. moustaraf ( 27/12/2014 03:54)
Salama namana,

Ny fototry ny fanovana anie ka tsy avy amn fanononana akory e! Manana namana ao grece izahay fa mahay manonona tsara hoe "Yeshua " ary fantany fa "Famonjena " no dikany, izay tsy ilana kajikajy be sy fanovana anarana.

Raha nitory i Paoly ? i Paoly sahy hanova ilay anarana niteny taminy avy tany an danitra? Ary sarotra ve ny mahazo ny hoe "Yeshua " no anaran'i mpaonjy? sa ny lohanareo no efa voapetaky ny vy mahamay ka tsy afaka ny hahita mazava intsony?

I Paoly koa izany no nanova ny "Elohym " ho Theos grika, izay fantany fa sampy goavana Doyos na zeus (niavian'ny Dei, dius,diej, dieu )???
Aoka tsy ho ambany saina loatra isika ka ivarotan'ny olona saka be loha.

Ray, zanaka, fanahy masina!!!
Miala tsiny aminao namana fa tsy misy an'izany trinite izany ao anaty baiboly, fa foto pampianaran Romana, natsofoka mba hivaarotana saka be loha, ary io no porofo fa zanaky ny fiangonana romana ianareo!! fa tsy fampianaran hafa akory! Mba vakio ny "histoire de l'eglise" e!
30. RBNIR ( 27/12/2014 19:02)

Tamin'ny fomba ahoana no namantaran'ny grika fa Famonjena ny dikan'ny Yeshua? Izaho milaza fa tsy maintsy nadika tamin'ny fiteniny aloha ilay izy. Ny valiny mazava sady mahitsy avy aminao mba andrasako....

Miainga avy amin'io ny rehetra... Tsaroyy tsara fa i paoly raha nitory dia "nitory an'i JEsosy izy) .....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1727