NY ZAVA-MISY IZAY MANEHO NY LOZA FAHA ENINA

1. Maranatha ( 27/10/2014 09:50)
Na dia hampidirin’ny fahavalo any am-ponja aza ireo olon’Andriamanitra mahatoky , dia tsy hahasakana ny firaisan’ny fanahiny amin’i Kristy ireo rindrin’ny tranomaizina . Ilay mahita ny fahalemeny rehetra , Ilay mahafantatra ny fitsapana rehetra , dia ambonin’ny fahefana rehetra eto an-tany . Ho avy ao amin’ny toerana manirery ao an-trano maizina ny anjely ; ka hitondra fahazavana sy fiadanana avy any an-danitra . Ho toy ny lapa ny tranomaizina ; satria mitoetra ao ny manankarena amin’ny finoana ka hohazavain’ny fahazavana avy any an-danitra ireo rindrina manjombona . Tahaka ny fony i Paoly sy Silasy nivavaka sy nihira fiderana tamin’ny mamaton’alina tao amin’ny tranomaizina . Hery Mifanandrina pp 652 , 653 . ARAHO ATO
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3346