FIKAROHANA, FAHASALAMANA SY FAMPANDROSOANA

1. vonynive ( 30/09/2014 05:32)
KONGRESY IRAISAM-PIRENENA VOALOHANY MOMBA NY FITSABOANA SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA ETO MADAGASIKARA
Hatao eny amin'ny trano fivoriana iraisam-pirenena CCI Ivato mandritra ny hateloana manomboka ny 30 septambra ka hatramin'ny 2 oktobra ho avy izao ny kongresy voalohany ampitondraina ny lohateny hoe FIKAROHANA, FAHASALAMANA SY FAMPANDROSOANA hahitana ireo voka-pikarohana siantifika amin'ny fitsaboana miisa 90, mpizaika matihanina amin'ny fitsaboana miisa 500 Malagasy sy vahiny no hiatrika izany, mpikaroka, mpampianatra, mpitsabo, ary ireo mpianatra ho mpitsabo sy ireo mpitsabo biby.
Tanjon'ny hetsika ny hampahalalana ny besinimaro fa misy hatrany ny fikarohana ataon'ireo matihanina na amin'ny teknolojia avo lenta izany na amin'ny fomba tsotra toy ny famelomana aina tsy ilana fitaovana sy ny sisa.
Hisy ihany koa ny fampiharana ny voka-pikarohana fa tsy hijanona ho fampirantiana fotsiny akory.
Antenaina fa hitondra fiovana tsara sy fivoarana lehibe eo amin'ny sehatry ny fitsaboana eto an-tanindrazana ity hetsika ity indrindra amin'izao firoboroboan'ny fitsaboana samihafa hita etsy sy eroa izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9475