Mahay mampianatra fahamendrehana ny filoha rehefa ...

1. RUZ9 ( 03/07/2014 08:38)
Mahay mampianatra fahamendrehana ny filoha rehefa avy any Israel sy nitsidika tany Vatican.
Alohan'ny hitenenanao fahamendrehana nefa aloha, dia mba lazao, aiza ho aiza ao @ isambato marina nifidianan'ny vahoaka anao sy ny isambato voalaza fa azonao no misy ny atao hoe fahamendrehana ?
Fahamendrehana isan'ny kely indrindra sady voalohany ny milaza ho fantabahoaka ny loharanom-bola nanaovanao fampielezankevitra.
Anisan'ny fahamendrehana ihany koa ny tsy fanasana ny papa ho avy eto.
Avelao aloha izy hanasa ny lamba maloto fantatr'izao ny @ ireo heloka bevava nataon' ny be rebarebany : tsolotra, fanolanan-jaza, aolany avokoa na zazalahy na zazavavy (mihoatry ny 4000 ny lasibatra ho an'i Etazonia fotsiny).
Tany mitovy @ tany rehetra na i Vatican na i Israel ka tsy milaza mihitsy ny fandalovanao any hoe lasa mendrika ianao.
Raha fahamendrehana no holazainao "ny Hery tsy mahaleo ny fanahy" azonao jerena ato izany :.
Tsy natao copie&collé tetsy teroa io fa vokatry ny fandalinana sy fampiharana.
Anisan'ny fahamendrehana ihany koa mantsy ny tsy fandikana befahatany an'izay vitan'ny hafa.
Izay tsy anao, Aza kitihina
Sao taitra ny tompony ka ho sahirana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2634