AVY EO AMIN-NY TOLONA MANKEO AMIN-NY FANDRESENA

1. maranatha ( 16/05/2014 06:02)
…. Mitalaho ny fiarovan’Andriamanitra ny vahoakany miely patrana , ny sasany any anaty ala , any an-tendrombohitra , ny sasany any an-tranomaizina , raha indreo manodidina azy ny fahavalo mirongo fiadiana , amporisihan’ny anjely ratsy , ka vonona hamita ilay fandringanana farany . Amin’io fotoana io , amin’ny ora farany indrindra , no hisalovanan’Andriamanitry ny Israely hanafaka ny olom-boafidiny . Hoy Jehovah : “ Ary ny hira ataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fanamasinana ny andro firavoravoana ; ary ny hafalian’ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha ho any an-tendrombohitr’i Jehovah , dia any amin’ny vatolampin’ny Israely . Ary Jehovah hanandratra ny feon’ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ny sandriny amin’ny firehetan’ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra , sy ny orana mifafy , ary ny havandra vaventy Isaia 30 : 29-30 . Hery Mifanandrina p 661

Ilay ampahany amin’ny fitsanganana amin’ny maty

1 .-Ankoatran’ny fanafahana an’ireo zanany izay mandalo fizahan-toetra , inona no aterak’ilay feon’Andriamanitra mandritra ny loza faha fito ? Daniela 12 : 1-2 ; Isaia 49 : 24-25
Famantarana maro sy fahagagana maro no hifandimby amin’ny fomba haingana . Ny zavatra rehetra dia toa nivily làlana niala amin’ny fomba fizotrany araka ny tokony ho izy . Ireo renirano dia nitsahatra tsy nikoriana intsony , ireo rahona maizina maro dia niakatra sy nifampandona . Kanefa kosa nisy toerana anankiray feno voninahitra . Ary avy tao amin’io toerana io no nivoahan’ilay feon’ ny Tompo izay heno tsara , izany dia toy ny feondrano vaventy , feo nanozongo-zona ny lanitra sy ny tany . Dia nisy horohoron-tany lehibe . Fasana maro no niso-katra , ary ireo izay maty tao anatin’ny finoana mandritra ny fanambarana ny hafa-try ny anjely faha telo , nitandrina ny Sabata , dia nivoaka tamim-boninahitra niala tao amin’ny fandriana vovoka mba hahare an’ilay fifanekem-pihavanana izay efa hataon’Andriamanitra amin’ireo izay nitandrina ny lalàny . Premiers Ecrits p 285

2 .-Inona no ambaran’ny Ray amin’ny vahoakany ? Marka 13 : 32
Nivoha ny lanitra nikatona ary nihetsiketsika nivory . Ireo tendrombohitra dia nitongilana toy ny volotara hetsiketsehan’ny rivotra , ary nanipy tetsy sy teroa an’ireo atotam-batolampy . Ny ranomasina dia nangotraka sady nanipy vato maro ho eo ambonin’ny tany . Rehefa Andriamanitra nanambara ny andro sy ny ora hiha-vian’i Jesosy , Izy dia nanonona fehezan-teny anankiray dia nitsahatra , ary ireo teniny dia nitety ny tany manontolo . Ny Israelin’Andriamanitra dia nampifantoka ny fijeriny ho any ambony . Izy ireo dia mihaino an’ilay teny mivoaka avy amin’ ny vavan’i Jehovah izay maneno toy ny kotro-baratra . Izany dia zava-niseho tena miezinezina sy mampahatahotra tokoa . Aorian’ny fehezan-teny tsirairay , ireo olona masina dia nihiaka nanao hoe : “Voninahitra , Haleloia” ! Ny tavan’izy ireo izay voazavan’ny voninahitr’Andriamanitra , dia namirapiratra tahaka ny tavan’i Mosesy rehefa nidina avy tany antendrombohitra Sinay izy . Ireo ratsy fanahy dia tsy afaka nijery azy ireo noho ny famirapiratry ny tavan’izy ireo . Ary rehefa notononina ilay fitahiana mandrakizay mba ho an’ireo izay nanome voninahitra ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fitandremana ny Sabata masina , dia heno ny feo mafy lehibe izay nanambara ny fandresena an’ilay bibidia sy ny sariny . Premiers Ecrits pp 285 , 286

3 .-Inona ilay trangan-javatra lehibe indrindra izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay , ka hiseho amin’ny fomba hafakely sy mahagaga sady feno voninahitra ? Apokalypsy 19 : 11-16 ; Lioka 21 : 27 .
Tsy ela taorian’izay dia niseho ilay rahona fotsy izay nipetrahan’Ilay zanak’Olona . Rehefa niseho teny lavitra teny io rahona fotsy io , dia toa tena kely tokoa . Ilay anjely dia niteny fa izy io dia ilay zanak’Andriamanitra . Arakaraka ny nanantonan’io rahona fotsy io ny tany , izahay dia afaka nibanjina an’ilay voni-nahitra lavorary indrindran’i jesosy izay miroso mankeo amin’ny fandresena . Anjely masina maro no nilahatra nanaraka Azy , ny lohan’izy ireo dia voaravaky ny satro-boninahitra kanto sy mamirapiratra indrindra . Tsy misy fiteny na dia iray aza mahay manoritsoritra io trangan-javatra io . Ilay rahona velona izay manana fiandrianana sy voninahitra tsy manampaharoa , dia nanatona nanakaiky anay hatrany hatrany , ka afaka nahita mazava tsara an’ilay endrika maha te ho tia indrindran’i Jesosy izahay . Izy dia nitondra satro-boninahitra tsilo teo amin’ny lohany , ary ny handriny kosa dia nisy satro-boninahitra feno famirampiratana . teo amin’ny akanjony sy ny feny , dia nisy izao soratra manaraka izao manao hoe : Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Tompon’ny Tompo . Ny tavany dia mamirapiratra toy ny masoandro amin’ny mitatao vovonana iny . Ny masony dia toy ny lelafo , ny tongony toy ny varahina madio indrindra . Ny feony dia toy ny mozika manao feonjava-maneno . Ny tany nangovitra teo anantrehany , ny lanitra nisintaka toy ny boky nahorona , ary ny nosy sy ireo tendrombohitra dia tafafindra niala tamin’ny toerany . Premiers Ecrits p 286 .

4 .-Iza no ho raisin’ilay zanak’Andriamanita eo amin’ny fihaviany fanindro-any ? Apokalypsy 14 : 1 ; Isaia 25 : 9

Ary holazaina amin’izany andro izany hoe : Indro Andriamanintsika , izay nandrasantsika . Indro Jehovah , izay nandrasantsika . Koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika . Isaia 25 : 9 .
Tonga Jesosy ! Kanefa tsy hoe tonga hihaino ny alahelon’ireo taranak’olombelona , tsy hoe tonga hihaino ny mpanota meloka miaiky ny fahotany koa , ka hanome famelankeloka ho azy ; satria manko ny anjaran’ny tsirairay dia efa tapaka , na ho amin’ny fiainana , na ho amin’ny fahafatesana . Ireo izay niaina tao anatin’ny fahotana dia hitoetra ho mpanota mandrakizay . Ireo izay niaiky ny fahotany tamin’i jesosy fony Izy tao amin’ny fitoerana masina , sy nanao an’i Jesosy ho namany , ka nitia ny fisehoany , dia hanana famelan-keloka voasoratra , dia famelana ny fahotana rehetra vitan’izy ireo , ary izy dia nanadio ny fanahiny tamin’ny alalan’ny fankatoavany ny fahamarinana . Izy ireo dia hitoetra ho madio sy masina mandrakizay .
Lift Him Up p 379

Famaizana ahatra amin’ireo mpankahala fivavahana

5 .-Inona no hanjo an’ireo mpankahala fivavahana eo amin’ny fotoana fihavian’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy ? Apokalypsy 6 : 15-17 ; II Tesaloniana 1 : 8-9

Ireo izay talohakelin’io fotoana io ka nitady hanongotra hiala teto am-bonin’ny tany an’ireo mpino mahatoky , dia nahita ny voninahitr’Andriamanitra nijanona teo ambonin’izy ireo . Tao anatin’ilay tahotra mafy nahazo azy ireo , dia henony ireo olona masina nihira hoe : “ Indro ny Andriamanitray ” , izahay dia nanantena Azy ka dia namonjy anay Izy .Premiers Ecrits p 287 .
Midina eny amin’ny rahona ny Mpanjaka , voahodidin’ny lelafo mide-dadeda . “ Lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra , mangovitra eo anatrehany ny tany , ary mifindra miala amin’ny toerany ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra”. “Avy Andriamanintsika ka tsy hangina ; afo no mandevona eo alohany , ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy . Miantso ny lanitra any ambony Izy , sy ny tany koa mba hitsarany ny olony ” Salamo 50 : 3-4 . Hery Mifanandrina p 667

Ny fitsanganan’ireo marina

6 .-Inona ihany koa ireo tranganjavatra mahagaga hafa kely izay hitranga rehefa izany ? Aiza moa no hanantonan’ireo olom-boavonjy an’Ilay Mpamonjy azy ireo ? Ary aiza no halehan’izy ireo ? I Tesaloniana 4 : 16-17 ; Jaona 17 : 24 .

Mivembena ny tany , mitsoriadriaka ny helatra , mirefodrefotra ny varatra , ary re ny feon’ny Zanak’Andriamanitra miantso hampifoha ny olona matory . Mijery ny fasan’ny marina Izy , ka manandratra ny tànany ho amin’ny lanitra , ary miantso hoe : “ Mifohaza , mifohaza , mifohaza ianareo izay matory ao amin’ny vovoka , ary mitsangana” . Eran’ny vazan-tany rehetra no handrenesan’ny maty io feo io , ary izay mandre dia ho velona . Koa dia ho re eran’ny tany ny fikatrokatroky ny tafika faranizay lehibe avy amin’ny firenena rehetra , ny fokom-pirenena , ny samy hafa fiteny , ary ny olona rehetra . Mivoaka avy amin’ny tranomaizin’ny fahafatesana izy ireny , mitafy voninahitra mandrakizay , ary miantso hoe : “Ry fahafatesana o , aiza ny fandresenao ? Ry fahafatesana o , aiza ny fanindronanao” ? I Korintiana 15 : 55 . Ampiraisin’ny marina velona sy ny olo-masina nitsangana tamin’ny maty ny feo manao hobim-pifaliana sy fandresena . Hery Mifanandrina p 670

Ilay hiran’i Mosesy sy ny zanak’Ondry

7 .-Raha vantany vao voavotra izy ireo , inona no tombontsoa manokana ananan’ireo 144 000 ? Apokalypsy 15 : 2-3 . Moa ve ianao mba maniry ho any amin’ny fonao manontolo ?

Eo amin’ny ranomasina manganohano tahaka ny vato kristaly eo enoloan’ny seza fiandrianana , dia ilay ranomasina fitaratra miharo afo , mamirapiratra indrindra noho ny voninahitr’Andriamanitra , no ivorian’ireo olona marobe izay “ nandresy ny bibidia sy ny sariny ary ny isan’ny anaran ” . Miaraka amin’ny Zanak’Ondry eo amin’ny tendrombohitra Ziona , “ manana ny lokangan’ Andriamanitr ” , no mitsangana ireo efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy navotana avy tamin’ny olona ; ary injany re “ ny feon’ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany ” . “ tahaka ny firohondrohon’ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy ” . Ary “ mihira toa tononkira vaovao eo anoloan’ny seza fiandrianana … izy ” , dia hira izay tsy misy olona afaka mianatra izany afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy”. Hiran’i Mopsesy sy ny Zanak’Ondry izany , dia hiram-pahafahana ” . Tsy misy afatsy ny efetra arivo amby afatralina sy iray hetsy no afaka mianatra io hira io ; satria hira avy amin’ny fanandramana nataony izany , fanandramana izay tsy mbola nananan’ny antokon’ olona hafa na oviana na oviana . “ Ireo no manaraka ny Zanak’Ondry na aiza na aiza no alehany ” . Ireo izay nafindra avy amin’ny velona , dia nisaina ho “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanak’Ondry” . Apokalypsy 15 : 2-3 ; 14 : 1-5 . Hery Mifanandrina pp 674 , 675

Ireo olona an’alinalina feno fifaliana sy fandresena

8 .-Ankoatran’ireo 144 000 , inona no fantantsika mikasika an’ireo olom-boavonjy sisa izay hiravoravo ao amin’ny fiainana mandrakizay sy ao amin’ny voninahitr’ Andriamanitra ? Apokalypsy 7 : 9


Eo akaikin’ny seza fiandrianana indrindra no ahitana izay efa narisika ho an’i satana teo aloha . Nefa toa forohana nosarihina tamin’ny afo ka nanaraka ny Mpamonjy tamin-kafanam-po niredareda sy lalina . Manarakaraka dia ireo izay namolavola toeta Kristianina tanteraka eo anivon’ny hevi-diso sy ny tsy finoana an’Andriamanitra , ireo nanaja ny lalàn’Andriamanitra raha niray feo nanambara ny Kristianina eran-tany fa foana izany , ary koa ireo an-tapitrisany nandritra ny fotoana rehetra nifandimby , maty maritiora noho ny finoany . Farany dia indreo , “ olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anantrehan’ny Zanak’ondry ; niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampandrofia teny an-tànany ” Apokalypsy 7 : 9 . Vita ny adiny , azony ny fandresena . Nahatanteraka ny fihazakazahana izy ka nahatratra ny loka . Ny sampandrofia teny an-tànany dia tandindon’ny fandresena . Ny fitafiana fotsy dia mampiseho ny fahamarinan’i Kristy tsy misy pentina izay azy ankehitriny . Hery mifanandrina p 692

Mba ho saintsainina lalina

I Korintiana 1 : 18 , 24 ; Titosy 3 : 5-7 ; I Petera 2 : 9-10 ; Apokalypsy 1 : 9-10
Ho hita fa ilay nanam-pahendrena tsy voafetra dia tsy afaka nanao drafitra hafa hamonjena antsika afa-tsy ny fanaovana sorona ny Zanany . Ny setrin’io sorona nataony io dia ny fifaliany amin’ny famenoana ny tany amin’ny voavotra masina , sambata ary ho velona mandrakizay . Ny vokatry ny ady nataon’ny Mpamonjy tamin’ny herin’ny haizina dia fifaliana ho an’ny voavotra , fanandratana ny voninahitr’Andriamanitra manditra ny mandrakizay . Toy izany no tombam-bidin’ny fanahy iray , hany ka mahafa-po ny Ray ny sandany naloha . Afa-po koa i Kristy , rehefa mibanjina ny hasoan’ny vokatry ny sorona lehibe nataony .
Hery Mifanandrina p 678
Aoka isika hibanjina amin’ny alalan’ny finoana ny avana manodidina ny seza fiandrianana ho an’ny fanahy manetritena . Manenina noho ny fahotana sy mankatoa , izany dia toky ho azy fa ny fiainany dia iray ihany amin’ny an’i kristy … Ny fahatezeran’Andriamanitra dia tsy hirotsaka mihintsy amin’ny olona izay mitady fialofana Aminy . Andriamanitra tenany mihintsy no manambara aminy manao hoe : “ Ho hitako ilay ra ka dia handalo fotsiny eo amboninareo Aho” . Eksodosy 12 : 13 . Puissance de la Grace p 71
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1493