Fahasamihafana ara-pototarazo @ olombelona

1. Nehemiah ( 16/07/2013 15:22)
Maro ny olona izay mihevitra (@ fomba diso) fa tena miavaka ny ADN'olona izay tsy mitovy fokom-pirenena (race), fa tsy marina izany. Mahavariana mihitsy fa ny olombelona rehetra dia tsy dia misy fahasamihafàna ara-pototarazo be manahoana. Nanamarika ny mpahaiaina sasany fa raha ampitahaina ny ADN'olombelona 2 avy @ toerana samihafa @'izao tontolo izao, ho kely kokoa nohon'ny fahasamihafana ara-pototarazon'ny rajako 2 izay mivelona @ tendrombohitra 1 any Afrika ny fahasamihafan'ny ADN-ny. Lalina be ny tsoa-kevitra avy @'ireto fahitàna ireto : raha kely ny fahasamihafana ara-pototarazon'ny olombelona dia midika izany fa vao haingankaingana no nipoitra izy. Ny dikan'izany dia tsy nivoatra @ toerana samihafa mandritry ny fotoana ela dia ela ny fokom-pirenena samihafa. Mifandraika @ fitantaran'ny Baiboly, izay milaza fa nipoitra avy t@ razana 2 monja arivo taona vitsivitsy lasa izay ny olombelona rehetra, ka avy t@'izy 2 ny fokom-pirenena samihafa, ireto fahitàna ireto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1383