Nehemiah - 01/07/2013 15:24
|
![]() Mbola tsy nahitàna rano mitsiranodranoka Marsa hatr@'izao. Izao no raketin'ny Genesisy : "voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ ny lanitra rehetra" (Gen. 7:19). I Jesoa dia niteny mihitsy, momba ny olona tsy tao anatin'ny Sambofiara, hoe : "tsy fantany mandra-pihavin’ ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra" (Mt. 24:39). Ny rano mitsiranodranoka ety ambonin'ny Tany dia tsy mba manjavozavo tahaky ny any Marsa fa misarona ny 70%-n'ny velarany, ary misarona ny ankabeazan'ny velaran'ny tanety ny vaton-dilatra napetraky ny rano, ka tsy mahagaga ve rehefa tsy eken'ny olona milaza fa mety nisy Safo-drano manerana an'i Marsa (na dia tsy ahitàna rano mitsiranodranoka azy) na kely variraiventy aza ny ankevikevin'ny nitrangan'ny Safo-drano maneran-Tany ? |