Ny fahefan'ny Soratra Masina

41. mekana ( 11/06/2014 17:49)
Salama
Mba liana e,
Aiza izany raki-peo izany hoe henoina? Sao dia trucage?
Fa sao dia affirmation gratuite fotsiny na fanosoram-potaka?
Raha ny fahafantarako azy dia hoe nitelefone an'i Tsara-Tsara ilay vadin'i Pr Rijaharivelo, dia ahoana moa zany no fomba ahazoana an'ilay raki-peo? Sa efa kendri-tohana?

Mba zarao fa liana e.

Misaotra

Tefigasy:

Miharena:

Mahagaga mihitsy fa izay voalazan'ny gazety no hakany tsoa-kevitra amin'ireny mpijoro vavolombelona ireny. Tsy manadihady ry zareo hoe inona marina no nitranga tamin'ny fotoana nisian'ilay resaka Apostoly nandrasana hitsangana tany Mahajanga iny.

Raha mba nanadihady ary ianao ramose dia mba ento eto ny valin'izany fanadihadiana izany mba ho hitan'ny be sy ny maro fa aza faly manohitra ny fahamarinana fotsiny. Misy raki-peo natao mihitsy mirakitra ny tenin'i Tsaratsara mikasika ny hitsanganan'ilay apostoly amin'ny maty afaka 3 andro taorian'ny fahafatesany izay nataon'ny mpanao gazety ihany, ary voatahiry any amin'izy ireo, afaka angatahinao any aminy raha tsy ampy ny fanadihadiana nataonao.
Miharena:

Ny fanontaniana dia hoe sitrapon'ilay fianakaviana ve sa sitrapon'Andriamanitra Tompon'ny aina ilay tokony mbola hananganana azy? Sa hanaporofoana io tenin'iJesoa eo ambny io momba ny fatra-pitady famantarana?

Dia apetraho any amin'i Tsaratsara io fanontanianao io satria raha ny fahitako azy dia sitrapony ilay izy, nilaza tamin'ny fahasahiana izy nefa teny izay tsy nambaran'i Jehovah, tsy sitrapon'Andriamanitra akory ny zavatra tadiaviny.
Tsy fitsarana akory ny filazana ny zava-misy, ny zava-marina, mba hiavahan'ny tena vary amin'ny tsimparifary, hiavahan'ny ondry amin'ny amboadia !
42. mekana ( 30/01/2015 11:45)

Napetrakay t@TSARA TSARA le fanontaniana, dia ity ny valiny tsy nilaza izy hoe "hitsangana @maty io mpanompon'Andriamanitra io". Ny nolazainy dia hoe "Hain'i Jesosy ny manangana an'io raha tiany hatsangana io."

Raha hevitro dia: Fanosoram-potaka no betsaka, diso fandraisana (interpretation) le vadin'pastera sy ny manodidina azy. Misy fanatisme ihany koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9212