Apoahy ny trozona !

1. Nehemiah ( 25/03/2013 06:10)
Efa mba nahita olona nanapoaka trozona ve ianao ? Nisy trozona maty anankiray nitsingevaheva akaikin'ny morontsiraka any Australie Atsimo izay napoakan'olona mantsy. Nisalasala ny mpitandro filaminana satria nitaingana ilay fatin-trozona ny olona izay tonga t@ sambo nahofa hijery an'izay tranga tsy mahazatra azy ireo izay, kanefa niantso requins blancs ilay fatin-trozona, ka nitady fomba hampilentehana azy izy ireo. Kanefa, na dia napoaka tao anatin'ny kibony ny dinamita 3, mbola tsy nety nilentika ihany ilay izy.

Maro ny olona mieritreritra fa rehefa maty ny trondro na ny trozona 1 dia milentika any ambany ranomasina any, dia rakofan'ny dilatra tsikelikely ka lasa fôsily. Kanefa tsy mba marina izany. Mitsingevaheva ny fatin-trondro sy ny fatin-trozona. Raha misy sombintsombiny tonga any ambany ranomasina ihany dia ataon'ny foza sy ny mikrôba sakafo. Kanefa betsaka ny fôsilina trondro izay efa hita, eny, na dia fôsilina trozona dia nisy nahita, ka midika izany fa tototra tampotampoka izy ireo, tahaky ny t@ Safo-drano t@ andron'i Noah tantarain'ny Baiboly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0889