Tsy tanteraka ny faminanian'ny evôlisiona

1. Nehemiah ( 22/03/2013 12:59)
Inona no itovizan'ny totozy sy ny lali-boankazo ? Tsy misy, raha tsy mijery akaiky, nefa misy mpahay zenetika nahita fa misy fototarazony (gènes) sasany izay tena mitovy.

Matetika dia antitranterina ho porofon'ny evôlisiona ny fahitàna tahak'an ireny, satria rehefa mitovy ny fototarazo dia midika izay fa manana razana iombonana hony, nefa tsy nisy naminany na naminavina an'izay ny manam-pahaizana mpandala evôlisiona. Miaiky ny mpampianatra zenetika iray hoe : "No biologist had even the foggiest notion that such similarities could exist between the genes of such different animals."
Araky ny manam-pahaizana mpandala ny evôlisiona, 600 tapitrisa taona lasa no niveloman'ny razana iombonan'ny totozy sy ny lali-boankazo, ka nohon'izay, tokony nakorontan'ny sampona tao anatin'ny générations tsy tambo isaina ambony ambany (satria malaky miteraka ireo biby ireo) ny fototarazo rehetra izay mety itovizan'ireo karazam-biby ireo.

Tsy ny razana iombonana no mahatonga ny biby 2 hanana fototarazo mitovy, fa ny fanana Mpamorona iombonana izay nampiasa rafitra mitovy hamoronana ny biby rehetra, taon'arivo vitsivitsy lasa izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1973