Termôdinamika

1. Nehemiah ( 19/03/2013 12:50)
Tsy manirikiry ve rehefa manjary mangatsiaka alohan'ny afahanao misotro azy ny kafenao ? Kanefa tsy tokony himenomenona ianao @ manaraka fa mifaly, satria nahavita fanandramana @ taranja termôdinamika izay manome famantarana antsika momba ny fiandohan'izao tontolo izao ianao !

Milaza ny Lalàna Faharoan'ny Termôdinamika fa raha tsy tratran'ny fanakorontanana avy any ivelany ny sistema iray dia hirona @ fiparitahana mitovy @ toerana rehetra ao anatin'izay sistema izay ny angovo ao anatiny, ka eto izany dia misava @ manodidina ny hafanan'ilay kafe ka manjary mitovy hafanana @ manodidina azy ilay izy @ farany. Izay no atao hoe fitobohana ara-kafanàna (thermo-équilibre).
Kanefa tsy mba toerana ahitàna an'izay fitobohana izay izao tontolo izao : mafana dia mafana ny kintana (6 000 °C @ velaran'ny masoandro) nefa mangatsiaka dia mangatsiaka @ toerana hafa (-270 °C), ary tahak'ilay kôpina kafe, arakaraky ny iverenantsika @ lasa no manampo hahita tontolo tsy mitoboka bebe kokoa ka voarafitra bebe kokoa. Ny fehin'izay dia vaovao ratsy ho an'ny mpandà an'Andriamanitra ny kôpina kafe mihamangatsiaka satria manome antsika famantarana ho an'ny tontolo mirafitra be ary manome famantarana fa tena nisy tokoa ny fiandohàna, izany hoe ny famoronana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.423