Ny fandringanan'ny dinôzôra

1. Nehemiah ( 15/03/2013 07:28)
Nisy, hono, meteôrita namely ny Yucatan 65 tapitrisa taona, ka nahatonga ny fandringanan'ny dinôzôra rehetra (nefa mba afa-bela ihany ny voay sy ny sokatra, asa angaha nahoana), nefa nisy nanadino ny miteny anareo fa, araky ny fikarohana nataon'ny Fikambanana Ara-Bolantany any Amerika, nisy hadrôzôra (dinôzôra vava-ganagana) hita teo akaikin'ny toerana heverina ho namelezan'ny meteorita tanaty soson-dilatra (couche sédimentaire) heverin'ny mpandala ny evôlisiona ho 64 tapitrisa taona. i/Iray tapitrisa taona/i taorian'ny namelezan'ny meteorita anie izany.
Feno olana ny hevitra milaza fa ripaka 65 tapitrisa taona lasa ny dinôzôra, nefa moa sarotra ny manaisotra hevitra efa miraikitra ao anatin'ny ati-dohan'ny sarambabembahoaka.

Izao mihitsy no zavatra hitan'i Mary Schweitzer, mpikaroka momba ny dinôzôra, vao haingana t@ taolana tyranôzôra tsy voafôsily :



A : Manondro potipoti-taova mbola malefaka ny flesy. Aiza koa no hisy taova malefaka haharitra 65 tapitrisa taona ka tsy levona ?
B : Ity mbola misy taova toa mbola manta, mbola mahasarotra ny finoana ny tapitrisa taona.
C : Faritry ny taolana izay mbola misy makirakira. Kanefa tsy ahitàna an'izao ny ankabeazan'ny taolana fôsily. Lazaina ho 65 tapitrisa taona ireto taolana ireto nefa mbola misy an'ireny ihany.


Mary Schweitzer:

This is not something I ever dreamed I would see, and it was totally shocking.



Nefa moa ny fiheverany an'ireo toalana ireo ho antitra dia antitra tsy takatry ny saina ihany no mahatonga azy ho "shocked". Raha zara fa tratry ny fahalovana ny taolana tsy voafôsily izay nilevina fotsiny izao nandritry ny 65 tapitrisa taona dia tsy aleo ihany foanana ny famokarana vata fampangatsiahana ;) !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3058