SADY HILOKANDRY ZALAH MIHITSY NY SEZA AAAA

1. andrywui ( 15/02/2013 12:29)
Ho an’ireo mpanao gazety manokana mpandinika ny fiainan’i Vatikana dia isan’ny andrandraina ny Papa tanora sy mihetsiketsika. Izay lany eo no ho Papa faha-266 tao anatin’ny tantara Eglizy Katolika Romana.
Mandeha be sahady ihany koa ny tombatombana rehetra amin’izay mety ho toetoetry ny Papa hisolo toerana an’i Benoît XVI. Miroborobo hatramin’ny filokàna momba izany mihitsy aza.
Misy ny anarana efa mandehandeha amin’izany : ny kardinaly nizeriana Francis Arinze, ilay ganeana Peter Turkson, ilay kanadiana Marc Ouellet, ary ireo italiana Angelo Scola sy ny kardinaly sekreteram-panjakan’i Vatikana Tarcisio Berlone (ity farany dia karazan’ny laharana faharoa ao Vatikana, izany hoe isan’ny tànan-kavanan’i Benoît XVI).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0482