Ilay dihy mipilapilaky ny tantely

1. Nehemiah ( 14/01/2013 07:00)
Angamba samy efa azon'izany tsy mahita lalana nohon'ny torolalana mifanipaka antsika. Saingy raha vendrana be ny olombelona rehefa hanoro lalana, vitan'ny tantely amin'ny fomba mahagaga ny mifanome torolalana tsy mety diso. Efa elabe ny manam-pahaizana no nahafantatra fa rehefa mahita toerana misy hanina betsaka ny tantely iray dia miverina @ tranony ka manao dihy manokana izay ahafahan'ny tantely namany mahafantatra ny toerana tena misy azy. Izay koa angamba no mahatonga ny fiteny hoe "tantely afa-drakotra" lol.

Nefa kosa, noho ny hasarotr'ity dihy ity, 20 taona vao nahavita namantatra ny tena fandehan'ity dihy ity ny manam-pahaizana ara-javaboary Ostraliana. Mazava fa ny dihy mifamahofaho dia mitaky ny fandaharana sy ny fikajian'ny koregrafy lalin-tsaina. Ka moa ve adaladala ny mihevitra fa saina faran'izay lalina no nandahatra ny tantely hampiasa an'izany fomba fifaneraserana mampitolagaga izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2833