Bus athees

1. Nehemiah ( 12/01/2013 07:09)
Tsy nahomby ny doka nataon'ny mpandà an'Andriamanitra tany @ Royaume-Uni.
Toy izao no nanaovany azy.



Ny soratra eo @ bus dia midika hoe : "Angamba tsy misy Andriamanitra. Ka aza manahy intsony ianareo ary ankafizo ny fiainana".
Somary mahavariana izany. Raha tena matoky tokoa ireo mpandà an'Andriamanitra ireo fa "tsy misy Andriamanitra", maninona no mbola asiana an'ity "angamba" ity ? Ny navaliny dia satria hony raha mitompo teny fantatra izy ireo fa "tsy misy Andriamanitra" dia manjary tahaky ny mitory finoana. Fa ny tena mampitolagaga dia ny tapany faha2. Mpanao gazety agnostique mihitsy no nanao hoe : "Inona kay no tokony ankafizina eo ? Ny resahina eto anie dia ny fahafetasana, ny tsi-fisiantsika intsony, ny famafàna tanteraky ny maha-antsika antsika mandrakizay ! Ary mety mitranga @ fotoana rehetra izany ! Raha tsy antony tokony anahiantsika izany dia inona ?

Tsy mahatondra valiny ho an'ny fanontaniana lehiben'ny fiainana, ary tsy mahatondra fanantenàna na dia kely variraiventy aza ny fandavàna an'Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1309