Mila tsy ho tantiko ny ao anaty tokatranoko

1. ra-mi ( 24/08/2012 16:07)
mANAO AHOANA DAHOLO O§
Mba mila hevitra aminareo namana aho
Zao d vevavy manambady aradalana niteraka iray , tsy ampy fitiavana zahay mianaka fa ny vadiko dia miasa b diso tafahoatra , tiako izy saingy ankehitriny aho rehefa misy lehilahy hafa manome tambitamby ahy dia toa lasa b ny saiko oe diso ve izaho raha maka ny tambitambinio olon mikoty ahy io? Nisy fotoana koa izy nifanoratra sms amina vevavy dia nafeniny dia mbola nahitako taratasy koa tany aminy milaza fa misy vevavy mahatara azy mpiara-miasa aminy , Mba tonga saina ihany aho, Tsy milamina tsony zao ny tokatranonay fa mibahana ato an-tsaiko oe efa misy olon-kafa tiany; Tsy tena te hanery ay itia ahy aho fa te hiala aho , lasa miha-tsy tia azy tsikelikeky tsony aho vokatrio zavatra io . Ampio aho ry namana fa tena tantara marina io .Misaotra anareo retra manampy ahy Valiteny tena mba matotra re tompoko
novalian'i hadji ny 10/10/2012 14:48
2. hadji ( 25/08/2012 05:31)
slt ny zaza hono na tiana aza rfa manaiki nono akifika ary ny mariazy indray mandeha ihany eo @ fiainana miresaha tsara aloha ianareo mivady e dia ho zakan'ilay ho asolonao azy ve ianao sy ny zanakao ary inona no itiavan'ilay faha 2 anao valio ireo dia ilazako ny tohiny ianao
3. zazamaroroka ( 27/08/2012 05:08)
Raha tena hoe mampirafy an-dri izy dia ara-dalàna ny hoe miala na misaraka, na any amin'ny tribonaly na any ampengonana na eo amin'ny fiarahamonina dia io fampirafesana io ihany no ekena ho tena ara-dalàna sy ara-drariny isarahana, nefa ndri no manapa-kevitra farany ny amin'io.

Zao nefa : tsy io no vahaolana tokony eritreretin-ndri amzao fotoana zao, rehefa tena tsy azo atao sy afa nenina tanteraka vo miroboka amin'io, avoty aloha ny tokan-tranon-dri raha mbola azo avotana fa aza milavo lefona, mandia toy izany avokoa ny tokatrano rehetra nefa tsy rava fa miarina.

Marina io an'i ra-mi io : mila mifampiresaka nareo, ain-dehibe io fa aza tsinontsinoavina, ary aza miandry fa manokàna mihitsy fotoana avy hatrany iresahana, aza mampiseho hoe tezitra ref miresaka, izay ao amponao anefa avoka, resaho mihitsy ny olana rehetra, teneno izy fa mila ny fitiavany nareo mianaka, iaraho mandinika ny toe javatra misy hoe ahoana no ahafahana mba miaraka bebe kokoa, na ao an-trano zany na any ivelany, ohatra mba miara-mialavoly, aza abahana ao antsaina hoe miha-tsy tia azy enao, tsarovy ny lasa taminareo vao nihaona ary kolokoloy zany fitiavana zany mba hiverina, asehoy azy hoe tena tia azy enao, asa mety misy zavatra sasany azonao ovaina ohatra, mety hoe fomba fiteny(so dia misy tsy zakany), fihetsika, fanajana, mety tsy ampy zany ohatra le vadinao, ary rehefa hitany zany, mino ah fa tsy ahafoy anao izy. Ny lehilahy tsy dia miresaka loatra nefa ilaina izany, na io fanehoam-pitiavana io aza ilaina foana, ka manaova dingana voalohany enao fa tsy ho faty antoka akory enao raha manao izany, resaho koa fa zava-dehibe ny fanonkanany fotoana be amin'ny asa mba iantsorohana andraikitra ao an-trano nefa ilainareo mianaka koa ny mba manana fotoana ankoatrizay mba hiarahana aminy. Resaho izy fa tia azy enao, ary te ho sambatra toy ny taloha indray, ary asehoy fa vonona hanome fahafaham-po azy enao, iaraho mamaha ny olana misy mety hanakana amin'zany, mety ho sarotra zany fa raha hitany hoe tena manao zany enao dia ts maintsy hanohina ny fony zany ary tsy ho any an-kafa zan tsony izy, mila maharitra kely nefa enao fa tsy tonga de ety eo no eo zan rehetra zany.

Fehiny : 1)Hitanao eo fa tena zava-dehibe ny mifampiresaka sy mifamboraka, ataovy zany.
2) Asehohy amin'ny fihetsikao sy ny fiteny fa tena tia sy manaja azy enao.
4. zazamaroroka ( 27/08/2012 05:09)
Mifamadika le anarana, ny tenin'i hadji no tiako ambara fa tsy an'i ra-mi zay manana olana.
5. Bita ( 28/08/2012 11:26)
http://www.youtube.com/watch?v=f3yZ_pCEpro
6. Bita ( 28/08/2012 11:27)
Nalefako io hira io mba hilazana aminao fa fiainana izany ary mampahery anao aho mba ahery....sy hitazona ny voady izay nataonao taminy tahaka io hira io fa indray andro hiverina ny sainy...
7. pizza ( 04/10/2012 11:13)
diniho tsara aloha ny zavtra tokony atao satria olana haf koa raha iaraka @ olo kafa indray. Izaho de manana olana mitovy aminao io fa ny ahy aloa za de tsy isaraka izany n'inona ataony ahy fa rehefa vizak'izy de mijanona eo foan. Ny zaza karakarao tsara de ataovy ze mahafaly anao.
tsy manao sipa an!
8. hadji ( 10/10/2012 14:48)
manao sipa kely indraindray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4905