Tsiahy ny ela ( fantaro hoe mety ho iza ary aho)

1. 201007jacky ( 20/04/2012 14:58)
Salama aby eh!
Mba manoratra aminareo aho sy manontany , fa tsy haiko na mba mitov amik ianareo.Tsy inon mantsy fa tena mahamanimanina mihitsy hoy aho rehefa el tsy nifankahita ny mpinamana (mpiara-mianatra fahiny indindra)
Izaho izao manko d tena mahatsiaro ireo namak tany amin'ny anjerimanontolo indrindra.nahafinaritra b mantsy ny fiainana tany izay , indrindra fa ny fiarahanay monina sy mianatra.Manginy fotsiny ny fahafinaretana rehefa mifamotoana handray vatsim-pianarana ireny.Rehefa vita izay dia mifamotoana hiala voly an amin'i Dôm. , av eo miara-manao valala manjohy mihirahira , miakatra mankeny Ankatso hihazo ilay toeram-pilalaovan-java-maneno.Rehefa tonga ao dia samy miantsoroka izay tandrify azy avy ny tsirairay , izay tsy mandray itony amponga maro anaka itony mitendry gitara , izay tsy mitendry gitara ,mandray itony zava-maneno marofeo itony.Izay tsy havanana amin'ny feo manao lamako na soloiny fanetsiketsehana s fanentanana.Eo dia samy mianoka fahafinaretana eo.
Nony reradreraka teo dia miverina any amin'ny sahan'Ampitifirana , miandry ny fidirana ny hariva indray , ka mifanao tsy omby aloha hitrandraka fahalalana indray ato anatin'ity efitrano lehibe makadiry .
Tsy ireo ihany no tena fahatsiarovana tsy lefy fa eo ihany koa anefa ny lafiny amin'ny maha- tanora (fialam-boly sy fitiavana).
Iza ary aho ho an'izay MAHALALA?????????????
DLLM , niveau C, année 2008
Filière Enseignement.
Sopapa kely :
.avy aty atsimon'i Moron'i Mania
.Ilay tovolahim-panafahana ,
.DIA FIBEAZANA tany Mahajanga Jiona 2008 , avec Mr Rabarijaona s Ranjivason J. T.



Misaotra .
RJFR
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1697