VAOVAO MATV 26 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 27/01/2012 17:33)
Androany no nigadona teto Madagasikara ny andiany faharoa amin'ny delegasionina izay niatrika ny fivoriana tany Pretoria Afrika Atsimo.

..............................................................................................................

Nihaona taminny mpanao gazety tetsy aminny lapam-panjakana Ambohitsorohitra i Norbert Lala Ratsirahonana izay nitarika ny delegasionan'ny fiadidian'ny fahefanana avon'ny tetezamita tany Pretoria.

..............................................................................................................

Naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena ny ministry ny Asam-panjakana, ny asa ary ny lalana sosialy, Tabera Randriamanantsoa.

.............................................................................................................

Manoloana ny fihitsohan'ny toe-draharaham-pirenena noho ny fitavozavozana eo amin'ny fandraisan'andraikitr'ireo mpanao politika, dia nisintona ny lakolosy ny komity miaro ny demokrasia sy ny tolom-bahoaka.

.............................................................................................................

Androany no nanombohan'ny dinik'asa mikasika ny fitondrana tsara tantana. Nosoritan'ny praiminisitra lehiben'ny governemanta Omer Beriziky fa misy ny lesoka amin'ny fampandehanana ny raharaham-panjakana.

.............................................................................................................

26 janoary 2009- 26 janoary 2012, feno telo taona katroka androany ilay alatsinainy mainty izay nisehoan'ny fandrobana ireo toeram-pivarotana maro teto amin'ny firenena.

.............................................................................................................

Telo taona katroka taorian'ny nahamay ny Trading Center etsy Analakely, dia nivory teo anoloan'ity toeram-pivarotana manan-tantara ity indray ireo olona nitana toeram-pivarotana tao.

.............................................................................................................

Nanatanteraka ny fila-kevim-pirenena ny Sendikan'ny mpampianatra mpitsara (Seces) io tapak'andro maraina io.

.............................................................................................................

Amin'ity taona ity dia manamarika ny faha-59 taona nankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny olona mararin'ny habokana izao tontolo izao.

..............................................................................................................

Vao telo volana monja no nanaovana ny fanentanana ny vahoaka mba hanatona ny tomponandraikitra raha misy ny herisetra mianjady aminy, dia tsikarika fa niakatra ny salan'isan'ireo olona niroso tamin'izany.

..............................................................................................................

Eo amin'ny sehatra sosialy sy fampandrosoana ny tontolo manodidina no tena iompanan'ny andraikitra sahanin'ny fikambanam-behivavy Association Accueil Madagascar na ny AAM.

..............................................................................................................

Fotoana fambolen-kazo izao. Toy efa fanaony isan-taona dia tonga teny Ambatomirahavavy ny mpiasan'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny Cnaps nanao izay fambolen-kazo izay.

..............................................................................................................

Notanterahana teny amin'ny FJKM Andravoahangy Fivavahana androany ny fihaonamben'ny isam-pitandremana manerana ny synodam-paritany Iarivo Avarandrano.

..............................................................................................................

Hivoaka manomboka rahampitso ny laharana 345 aminny gazety Ma-HERY ahitantsika ireo karazana lahatsoratra mahaliana antsika lehilahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.27