VAOVAO MATV 19 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 20/01/2012 14:36)
Manoloana ny fahatongavan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana dia samy manana ny fijeriny ny mpanao politika.


AV7: Nivory tao amin'ny Espace Mon Goûter Andrefan'Ambohijanahary androany ny fikambanan'ireo niharam-boina tamin'ny 07 Febroary 2009 izay nilaza fa tsy hitondra fitoniana na filaminana ny fiverenan'ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana.


Nihaona tamin'ny delegasionan'ny biraom-pifandraisan'ny vondrona SADC teny amin'ny masoivohon'i Afrika Atsimo ny solotenan'ny ankolafy Zafy Albert, androany hariva.


Raha te hiverina amin'ny rafitra manaraka ny lalam-panorenana isika dia tokony hanatanteraka ny fifidianana, hoy atoa Manantsoa Victor, ministry ny Fifandraisana amin'ny andrim-panjakana.



Na dia manameloka ny fihoaram-pefy nataon'ny ampahana polisy ka niteraka ny fahafatesan'ny mpitsara Rehavana Michel aza ny fikambanamben'ny polisy, dia nanambaraizy ireo fa nisy ny tsy fanajana ny sata mifehy ny polisim-pirenena nandritra ny fisamboarana ny naman'izy ireo.



Mahakasika ny raharaha nahafatesana lehilahy iray tetsy Antanimena, tamin'ny herinandro lasa teo, dia olona roa no efa natao fanadihadiana ary efa navotsotra. Mitondra fanazavacommissaire Alexandre Ranaivoson, talen'ny serasera ao amin'ny polisim-pirenena.



Mbola ny antsasa-manilan'ny mpikambana ao amin'ny governemanta ihany no nanatanteraka fanambaram-pananana, teny amin'ny birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly na ny Bianco.



Nanamafy ny avy amin'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro fa misy faritra andro ratsy roa araha-maso ato amin'ny faritra atsimo andrefan'ny ranomasimbe indiana, ary ny iray efa nafaheno ny fepetra ka lasa rivodoza.



4x4n'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena 22 amin'ny 23 no efa naverina, hoy ny tompon'andraikitra.




Notanterahana io maraina io ny fifampiarahabana tratry ny taona, teo amin'ny mpiasan'ny ministeran'ny Fambolena.



Noho ny finiavana ara-politika sy fanohizana ny fampandehan-drarahaha, dia nanapa-kevitra ny hiroso amin'ny fampiharana ny politikan'ny kolontsaina ny minisitera.



Nanomboka tamin'ity androany ity ary hitohy hatramin'ny sabotsy ho avy izao, ny salon «Spécial Rentrée Janvier» izaykarakarain'ny Mada Jeune etsy amin'ny Cite Ambatonakanga.



Tsy tonga naka ny lokany, dia ilay fiara vaovao, ilay olona tsara vintana nividy ny tapakilamitondra ny laharana faha 27 29, tamin'ny «La Grande Braderie de Madagascar» izaynokarakarain'ny Madavision farany teo.



Hivoaka ho anao rahampitso ny gazety Ma-HERY laharana faha-344. Inoana fa hahalianantsika lehilahy ireo karazan-dahatsoratra ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.298