VAVAO 26 NOV 2011

1. rijadolly ( 27/11/2011 02:12)
Taorian'ny fahatongavan'ny amiraly Ratsiraka dia araka ny voalaza tao anatin'ny fanambarana izay navoakan'ny avy amin'ny ankolafy Ravalomanana dia andrasana tsy ho ela ny zanak'ity Filoha teo aloha ity.


Nambaran'ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo fa nisy ny tsindry ila sy ny tsy fanajana an-tsipiriany ny tondrozotra tamin'ny fananganana ny governemanta ny firaisam-pirenena. Mitaky ny handrafetana fanindroany ny governemanta ary ny tenany.


Tsy ampy hamoahana an'i Madagasikara amin'ny krizy ny tondrozotra hoy ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo. Nambarany nandritra ny fitsidihana nataony tany Fianarantsoa ihany koa fa mila fifampiresahana mazava ny teboka sasany ao anatiny.


Manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra ny zava-misy eo anivon'ny miaramila dia nitondra ny heviny ny colonel Modeste Ratongavelonahary izay efa minisitra teo aloha. Nambarany ary fa anisany dingana tokony tanterahana ao anatin'ny famahana ny krizy ny fampihavanana ny miaramila.


Velon-taraina ireo mpampianatra FRAM noho ny tsy mbola nahazoan'izy ireo ny tamby karamany hatramin'izao.


Notolorana ny mari-boninahitra "Commandeur de l'Ordre national" ny mpanao gazetin'ny radiom-pirenena malagasy izay namoy ny ainy, Seth Ratovoarison. Tetsy amin'ny foiben'ny radiom-pirenena tetsy Anosy moa no nanatanterahina izany.


Androany no andro iraisam-pirenena natokana ho fahatsiarovana ireo ankizy mirenireny eny an-dalana. Tsy voafaritra mazava moa no isan'ireo ankizy mirenireny raha ny eto Madagasikara saingy fantatra kosa fa noho ny fahantrana dia voatery miasa avokao izy ireny.


Tafiditra amin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia nanatanteraka famelabelaran-kevitra ny fikambanana Vehivavy Tsara Lavitra eo anivon'ny fiangonana New Convenant Meeting.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.9115