amizao fotoana izao eto antananarivo dia tena ahit...

1. ravatorano ( 19/10/2011 09:13)
amizao fotoana izao eto antananarivo dia tena ahita fironana mpanao gazety anakiefatra niara niandany tamin Ingahy Andry Nirina Rajoelina fahiny nefa amizao dia tafasaraka njohon ny hevitra tsy mitovy .Izay antony izay dia lasa fifanenjehana politika ny ao anaty famakafakana ataondry zareo.Tsy dia hidirako lalina iny fa ny mahagaga amiko dia ny voalazan ilay mpanao gazety iray na mpanao famakafakana moa izany (hihihi) ao amin ny onjapeo 104.2 androany
"iza moa izany ray aman drenin'ny fiiloha andry rajoelina izany? inona no nataony teto amin ny firenena nanomboka tamin ny niatombohan ny tolona iny!" sady nandeha ny dona latabatra satria dia manako be izany tao amin ilay radio.Gaga ihany aho ary nilaza zareo ireo fa " raha izany no itonddrana ny revy ' ny fanenjehana andry zareo ao amin ny 98.8) dia avoakany daholo ny marina sy dossier rehetra mikasika ny mpitondra ny ray amandrenin i andry rajoelina ny fianakaviana ary ny namany akaiky !"
Gaga be aho ary dia najanony moa avy eo ilay fandaharana sy famakafakana fa hoe entani po be loatra zareo ka sao miteniteny foana e zany hoe tsy afaka hi maitrisé ny teneniny izany !
Menace ho an izay voatonona anarana teo ve izany ? saa koa araky ny voalazan dry zareo ihany fa hoe misy tetika hanakatonana ny radio-ny ka izay no entiny hiarovana izany ! zany hoe raha vao mande any ho any ny resaka fampitahorana fanakatonana d izay no arangarangan'izy mianadahy ?
Raha tena marina izany inona no tsy anaovany sy iresahany an izany tokoa fa najanona fotsiny ho fampitahorana ihan y ? tsy azoko mihitsy aloha hatreto izay tena fandehany fa ity politika sy polifika ity dia tena manahirana tokoa ary na ny mihaino ireny fanjehoan kevitra politika ireny aza dia tena ilay fahaizana ho an ny izay mihaino azy fa ndraindray tena mapmé ao koa ny mandreraka be ihihihihihi !
Na izany aza dia hifidy ny praiminisitra zany ingahy andry rajoelina rehefa tapitra anio ny fanolorana izany.Ny hitako aloha hatramin izao diia olona efa fantatra daholo sy efa nandalo teo amin ny fitondrana daholo ny ankamaroan ireo.Ka raha heverina fa raha nandriytra ny 50 taona tsy nisy fahombiazana nataon ny mpitondra teto dia tsisy amin ireo nalatsaka hatao praiminitra ireo no hilaza fa hahaomby amin izao tetezamita izao ary koa tena sarotra be amin ny mpanao politika malagasy izany hoe hanana neutralité izany raha mbola mpanao politika malagasy ihany !
Lava izay an fa dia sendra mandalo d manoratra kely eto eh d mirary soa ho anatsika namana rehetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3187