Miambena! tena ara-bakiteny fa misy ny fahotana mahafaty

1. didi10 ( 05/10/2011 07:25)
Maro ny olona no mieritreritra fa raha mandaingalainga kely dia tsy de "GRAVE" eo anatrehan'Andriamanitra mihoatra amin'ireo mpamono olona sy ny mpamosavy ohatra, ity vakiteny ao amin'ny Asan'ny Apostoly ity dia tena mahatonga saina tanteraka fa tsy nanam-potoana nibebahana akory izy mivady

Asa 4;32-Asa 5;1-10

Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany...
Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, 2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly. 3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka nanafina ny vola sasany vidin'ny tany? 4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao hianao? Tsy nandainga tamin'olona hianao, fa tamin'Andriamanitra. 5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. 6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. 8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. 9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana hianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy. 10 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy. 11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.



Mety ho tratran'ny fakam-panahy toa azy ireo koa isika, Aza nihevitra isika fa efa tena Kristiana, (nanaiky an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, natao Batisa) dia tsy ho adinina amin'ny fitondran-tena sy fahotana intsony! Miambena fa tena misy ny fahotana mahafaty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4161