HIAINO NY ANIO TAHAKA NY HOE ANIO NY FARA ANDRONAO
1. zokieva
(
09/09/2011 09:06)
HIAINO NY ANDRO ANIO,TAHAKA NY HOE: ANIO NY FARA ANDRONAO
KANEFA KOA HIAINO NY ANDRONAO ANIO TOY NY HOE: MBOLA HO ELA VELONA
Fil.4:4-7
1-MIFALIA:
-Mba diniho anie ny tarehin'ny olona rehetra eny an-dalana e, mba firy no feno fifaliana na dia kristiana aza?
-Mianara mifaly @ zavatra rehetra.
-Io problema isanandro io no manavesatra ny fonao tsy hanana fifaliana.
-Tsy ahazoanao fifaliana ny problema fa mampikentrona.
-EXERCICES isanandro:
-Rehefa vao maraina ka velon'aina na ny hariva efa madiva dia saino sy isaory an'Andriamanitra ny fahasoavaNy atafiny anao.
Ohatra:
-Ny fahasalamana,ny fahavelomana,afaka mifoka rivotra,ny fiarovaNy,mahiratra ny maso,ny hafanana atosaky ny masoandro mibaliaka,ny volana mamiratra,
ny kintana manjopiaka,ny alina mangina,....
-Fa sao adinoinao fa misy olona natory ny alina salama tsara izao nony maraina tsy tafafoha niarina intsony!
-Manana zavatra betsaka tokony hisaorana an'Andriamanitra ianao.
-Ianaro ny mankasitraka an'Andriamanitra fa olona "impolie"(tsy mahalala fomba) ny tsy mankasitraka Azy.
-Rehefa lasa saina iny ianao dia mba todiho ny lasa tsara teo @ fiainanao ary ho hitanao fa hitsiky ianao.
-Fianarana isanandro ny fiainana.
-Ao anatin'ny iray andro dia mitadiava zavatra 10 fara fahakeliny hisaoranao an'Andriamanitra t@ izay nitranga teo @ tontolo andronao.
-Aza mimenomenona foana.
-Aza be kizintina.
2-FANDEFERANA:
-Tsy mora ny mandefitra indrindra fa @ tsy rariny.
-Sarotra ny mandefitra.
-Kanefa mila mandefitra na dia @ tsy rariny aza.
-Ny olona tsy mandefitra dia mila bagara izy izay.
PRATIKA:
-Manomboka ao an-trano,eny an-dalana,hatrany am-piasana,eny fa na dia any am-piangonana aza dia MANDEFERA.
Ohatra:
Any Frantsa dia misy sekoly mihintsy am-pianarana ny olona mba hahafantatra ny zony ka hitaky izany mandrakariva;kanefa aoka ho fantatrao
fa mariky ny tsy fandeferana izany,mila mandefitra @ zavatra rehetra!
3-AZA MANAHY:
-Probleman'ny ankabeazan'ny olona rehatra @ izao io fanahiana io.
-Aza hitako ka .......
-Aretina maoderina tsy ahitan'ny maro fanefitra.
-Mahatonga tsy fahitan-tory,strèsse,miakatra tension...
-Na inona na inona tsy ny sasany ihany fa ny rehetra mihintsy dia AZA MANAHY.
4-MANGATAHA:
Indro ny lakile atolotro anao: dia ny VAVAKA
-Ny vavaka dia tsy manova zavatra fotsiny fa tena manova anao (ahy) mihintsy koa.
-Avadiho ho vavaka iny zavatra mampanahy,mampiasa saina anao iny.
-Matoky an'Andriamanitra tsara ve ianao eo @ fiainanao io?
-Tsaroanao ve fa raha mandray Azy ho ao am-po @ alalan'i Jesoa ianao dia Izy no mitondra ny fiainanao?
-Aza matoky ny hita maso; fa tsy fantatrao izay avoaky ny ampitso.
Fehiny:
-Hitombo finoana anie ianao ary tadidio fa Andriamanitra no mifehy ny zavatra rehetra.
-Havaozy isanandro ny fahatokianao an'Andriamanitra.
-Mila sahy miatrika ny mafy @ fiainana ianao ary tsarovy fa Izy efa naharesy ka hataony mpandresy koa ianao.
-Na misy aza ny olana maro atrehinao dia ny Fiadanana ao anatinao kosa hitoetra mandrakizay.
Mahereza fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina Jesoa anie hiaro sy hanome anao hery ka ho resy eo anoloanao ny tsy fahombiazana!
Zokieva