tsy ritra

1. itaramasoandro ( 28/07/2011 19:29)
tsy ritra, tsy fongana ny vovo mamokatra olon’ny fo mitsinjo ny zo sy tombontsoan’ny mpiray tanindrazana aminy hiaina fianaritra tsy hanaiky ny kolikoly, ny hery setra ary ny fanakavahana fa kosa mioty ny vokatry ny haren’ny firenena izay hohezahan’ny tsirairay sy ny daholo be hampiroboroboina sy harovana mba haharitra.

ireo no nivoitra t@ fandraisam-pahefana nataon’ny filoham-pirenena vaovao peroana ollanta humala ny 28 jiolay manoloana ny tanindrazany ary manoloana ny filoha maro indrindra avy @ faritra amerika atsimo manodidina nanatrika izany.

ankoatra ny maha olom-baovao azy dia tanora sy nametraka mazava i humala fa hiaro ny ankizy sy madinika, ny be antitra, hanatsara ny farim-piainan’ny mahantra izay nohavahan’ny làlan’ny fandrosoana.

aiza ho aiza i madagasikara ? tsy mbola ritra ny vovon’ny olon’ny fo mampiroborobo ny toekarena mitsinjo ny zon’olombelona sy miaro ny tontolo hiainana haharitra ho an’ny taranaka.

itaramasoandro 8-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2642