MPANAO HOSOKA DIPLÔMA LASA MINISTRA TOMPONANDRAIKITRA AMBONY ETO AMIN'NY FIRENENA

1. cpd8910 ( 02/07/2011 22:42)
Mampalahelo fa dia tena efa tantely afa-drakotra marina ity tanindrazan-tsika ity. Mihambo ho manana diplôma raitra tsy ananana akory na manao hosoka diplôma indray zao no malaza dia toa mahagaga fa lasa Ministra ry zalah.

RIANA ANDRIAMANDAVY VII (mitonona ho manana Ph.D avy any Harvard nefa tsy hita akory ao amin'ny lisitry ny diplomé ao amin'io Oniversité io), PIERROT RAJAONARIVELO (milaza ho sortant ENA nefa tsy misy siosio momba azy ihany koa io sekoly io.). Ny hafa indray moa tsy nahazo toerana aloha hatreto nefa mitetika mafy haka toerana (RAKOTOARISON HAROTSILAVO, milaza ihany koa fa nanao fianarana tany Harvard nefa tsy hita n'aiza n'aiza ao amin'ny siten'io Oniversité io ihany koa ny anarany).

Samia mailo mba manao vérification rehefa misy mitonona sy mihambo ho manana diploma raitra iray fa efa tsotra be zao ny mijery an'izany amin'ireo fitaovana teknolojia raitra toa ny Internet. Atsofohy ao amin'ny google fotsiny ny anaran'ireo raha sendra tsy dia havanana amin'ny fikarohana raitra dia ho hitanareo fa tsy misy liens na iray aza mipoitra eo ka mampifandray ireo olona ireo amin'ireo toeram-pianarana ambony ihamboany ireo. Facebook, linkedin sns izay zareo ihany no nampiditra ny profil-ny tao no ankalazan-drizareo ny fananany baoritra. Tsy hita trace any amin'ny siten'ireo toeram-pianarana ireo nefa.

Samia mailo fa milentika ny firenena fa oentin ny tsy valahara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8578