1. O ! Izany diako mahitsy hatrany re
Ho any Aminao (Aminao ry Tompo)
Fa ny hany tiako
Ka hotompoiko anie dia Ianao.
2. Na hisompatra ahy izay tsy tia
Mankahala, manadala
Dia tsy mampanahy Tompo ô !
Izay voakasako tsy mety miala.
3. Raha mandalo aho, toa iriny
Toa tondroiny, toa esoiny
Raha mba mitalaho, Tompo ô !
Ny fivavahako no hamavoiny.
4. Izany lohataona voninkazo
Fampitaha eny an-tsaha
Fa tsy mahataona Tompo ô !
Ny tavanao anie maha-te-hizaha.
5. Na manangasanga toa miantso
‘Lay tanàna midolàna
Tsy mihambahamba Tompo ô !
Ny faniriako tokam-pilàna.
Samy ho tahin'ny Tompo daholo indray e!