yonika

21. vale ( 03/05/2011 17:36)
Mandria am-piadanana Yonika, namana tsy foiko tokoa, tsy hohadinoina ireo zavatra nifanankalozana, nifaneraserana, misaotra nametraka fahatsiarovana ho ahy, fa na dia tsy mbola nifanatrika nivantana aza isika dia latsa-paka tato anatiko ny fifandraisana nisy, toy ny efa nahafantatra sahady indry fa handao tsy ho ela.
Indrisy, izany tokoa mantsy no lalam-piainana!
Mahereza ihany koa Akamatiana, Yonika tsy hohadinoina mandrakizay, ary mampita ny fiononana ho an'ny fianankaviana rehetra ihany koa!!!
22. mimich ( 03/05/2011 18:58)
"marina fa hoe efa voasoratra hatrizay fa vahiny isika mandalo dia izay.....
Ny saiko adala , tsy mety mino......
mandria am-piadanana yonika!!! mirary fiononana ho an'ny akamatiana sy ny fianakaviana
23. sitlo ( 03/05/2011 22:01)
Malahelo be aho [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Triste/triste6.gif[/IMG]
24. milamm ( 04/05/2011 00:27)
eny tombondalana ny azy fa isika rehetra samy tsy misy afaka miala ilay tonon'andro ho tsara levenana ny maty ary mirary fampiononana ny fianakaviany
25. kitjo ( 04/05/2011 04:43)
Tena tsy nisy tsy nalahelo kosa aloha nahare ny vaovao.. Soa ihany fa efa nandre azy narary na dia tsy mba afaka nanao veloma azy akory aza
Afaka t@ fangirifirian'ny nofo sy hetraketraky ny tany izy ary miara-paly amin'ireo havana sy olon-tiany efa nialoha lalana
Isika namany sy fianakaviany izay mbola ety no aoka hifankatia ary samia mahery
26. soanja ( 04/05/2011 04:45)
Hitrotro ny fanahiny ho eo amin'Andriamanitra anie ireo anjelin'ny lanitra. Nivahiny izy teto fa ho eo an-tranon'ny Rainy kosa. Mahaiza mionona daholo ry namako. Mirary fitoniana ho an'ny fianakaviany. Ny fifankatiavantsika sy fifandraisantsika kosa hiroborobo hatrany ary tsy ho faty ao am-pontsika anie ny tsiky sy ireo mamy navelany.
27. rakaroka ( 04/05/2011 06:05)
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana , Handry am-piadanana anie izy !
28. naritsimba ( 04/05/2011 10:25)
Mandria am-piadanana ry Ramambahasina Haingomanana Heritiana ( Yonikafopl ), tsy ho hay ny hanadino ireo zavatra rehetra nifampizarana nandritra ny fotoana rehetra nifankahalalantsika. Ny fotoana no kely fa ny zava-bita betsaka. Tsy ho voatanisa izy ireny, tohina ny fo raha nandre, ny hany sisa azo atao dia ny mankahery antsika namany, indrindra ianareo fianakaviana. Mahereza sy matanjaha fa ny Tompo momba antsika mandrakariva.
Tsy dia misy teny azo ambara fa dia mirary fiononana feno ho antsika rehetra izay nahalala azy, indrindra ireo fianakaviany.
29. ANARIM ( 04/05/2011 10:51)
mandria am-piadànana Yonika, mahereza daholo ny fianakaviana, namana, sns!
30. ANARIM ( 04/05/2011 10:52)
calin beuh nji akamatiana! anarim tsy manadino!
31. verozoky ( 04/05/2011 13:14)
mirary fiononana ho an'ny namany sy ny fianakaviany manontolo
32. bor2lais ( 04/05/2011 13:49)
Misaotra ny Tompo nampindrana azy niaraka tamintsika nandritra izay fotoana izay. Izy anie hanome fampiononana feno sy fiadanam-po ho an'ny fianakaviana sy namana rehetra !
33. AndriambyII ( 04/05/2011 15:01)
Mamangy @ fahoriana ny havana sy namana rehetra noho ny fahalasanany.
34. samyah ( 05/05/2011 14:24)
Zahay taty antoerana efa navita somatsara ny fandevenana azy !mirary fionona feno ho anareo fianakavina akia Akamatiana !tsaronaymanadrakariva nareo na lavitra anay aza !
35. Samoana ( 07/05/2011 08:31)
samyah:

Zahay taty antoerana efa navita somatsara ny fandevenana azy !mirary fionona feno ho anareo fianakavina akia Akamatiana !tsaronaymanadrakariva nareo na lavitra anay aza !


Tsara levenana izy notroninareo fa dia isaorana bdb ianareo nisolo toerana ny namana eran-tany!
36. tatinatah ( 09/05/2011 07:57)
yonika! ny tenanao no nandao any fa ny soa nataonao kosa tsy afaka am ponay mandrakariva.
Mandria ampiadanana.
37. Lily-Z ( 10/05/2011 13:24)
38. mmmhh ( 20/05/2011 11:47)
Apok 14 : 13 " Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy"
39. tslem ( 24/05/2011 09:12)
Tena tsy naharaka an'ity vaovao mampalahelo ity raha tsy vao izao.Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany dia mba handry am-piadanana izy.
40. dadabe ( 06/06/2011 17:58)
Akamatiana

tamimpahatairana sy tamain alahelo tokoa ny nahitako sy nandrenesako ity vaovao somary mampalahelo ity, na efa ho iray volana aza izay dia tsy haiko ny hangina, namana ary tsy vitan ny hoe tena namana fa tena nifandray ampo tokoa izaho sy i Yonika na dia tsy mbola nifankahita tava mivantana aza.Nisy aza fotoana efa tsy toy ny namana intsony izahay sy Yonika fa efa sahala @ nifampisipa, maro ireo teny mamy nifanaovana, ireo tsiambaratelo nifampizarana,....indrisy ry Yonika, lasa ianao fa ny diampeninao sy ny feonao manga tao anaty telefonina dia nirakitra nisy tokoa ny fiarahana.

Mahaiza mionona Akamatiana a, izay no lahatra, Andriamanitra no nanao antsika ary izy koa no haka antsika,isika rehetra na izaho na ianao tsy mbola mbola ho any fa tombon-dalana ny azy.

Dadabe

tsy manadino ireo sangy rehetra teto @ serasera.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0852