FANDRIKA NY FANKATOAVAN'NY COI SY NY OIF ARY NY FRANTSAY

1. RUZ9 ( 15/04/2011 11:50)
Hirehaka indray ny FAT sy ny firongony fa nanaraka ny baikon'i Lafrantsa koa ny COI sy ny OIF; tsy mahagaga izany fa samy tsy misy mikendry ny soa ho an'ity firenena ity ireo.
Ho tombontsoa ho an'iza raha hisy ny korontana sy ny fitohizan'ny Krizy ao aorian'ny fifidianana? Tsy ho an'ny Malagasy velively.

Ny firenena vahiny no hahazo tombontsoa avy @ izany satria ho tanteraka ihany ilay "zarazarao hanjakana" ary hihamafy noho izao ny fahasahiranana miandry antsika @ izay.

Tsy ny fanaovana fifidianana no olana fa ny olona mianadraikitra sy mikarakara azy; olona tsy mijery ny tombontsoam-pirenena sy olo-meloka tsy mikendry afa-tsy seza sy tombontsoa; miaraka @ mpiray petsapetsa aminy no mivonona hikarakara ny fifidiana; fifidianana tokoa ve nefa no ataony ? Tian-kano tsy tian-kano no marina kokoa.
Ilaina aloha ny fialan'ny FAT sy ny filohany vao afaka manantena fifidianana madio sy fivoahana @ Krizy isika.

Jereo ato ny tohiny http://cyrius.centerblog.net sy http://cyrius.over-blog.net
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4099