RESAKA HAFA MAHALIANA NOHO NY HOE RAVALO SA TGV

1. laza5700 ( 02/02/2011 02:13)
Indro ampitsiahiviko farany ny fangatahako teto tamin'ny herinandro lasa. Angatahiko an-tanan-droa izay mba manana vidéos na lahatsoratra hafa momba izay loha-hevitra sy famakafakàna nataon'io olona io mba hizara izany fa izay sendra hitako aloha dia tena mafonja daholo.

Lahatsoratra napetrany tao amin'ny Tribune.com no hitako http://www.madagascar-tribune.com/_Anthony-Ramarolahihaingonirainy,3583_.html ary koa intervention-ny iray tao amin'ny INVITÉ DU ZOMA tamin'ny 23 octobre 2010 http://www.blip.tv/file/4463371# no hitako. Nisy nanamarika teto amin'ny serasera moa io hoe mba jereo ka refa nahita izahay tena liana ka nikaroka izay mety ho lahatsoratra sns navoakany.

Ka raha sendra re mba misy mahita ny lien momba ny intervention-ny tany amin'ny haino aman-jery hafa na radio na tv (toa hoe nandalo tao amin'ny MATV, RTA, RAVINALA sns ihany koa izy araka ny renseignement henoko) na gazety dia mba omeo eto raha tsy mahadiso.

Ampitapitao ihany koa raha ilaina fa vitsy ny olo-mahay, manana fanetren-tena ary manana bonne foi toa itony (enfin, hatreto amin'izay hitako rehetra aloha dia toa manana bonne foi lay ranamana fa tsy mpaminany aho na tena mahita zay any am-pony tsy miloaka any).

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1062