FIHAVAOZANA
1. ydifas
(
11/01/2011 03:10)
Ampitomboina ao amintsika anie ny fahasoavan'i Kristy ary manonona ny fiadanany ho antsika rehetra ny tenako.
Voalohany indrindra, isaorana Andriamanitra nanome tombon'andro sy taona vaovao antsika. Jehovah anie hanatanteraka ny faniriantsika rehetra araka ny sitrapony.
Mifandraika indrindra amin'ny "fanavaozana" ny hafatra ho antsika anio.
Nilaza Izy: "Anaka, atolory Ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako; [Na: Ary aoka ny masonao handinika ny làlako]". Ohabolana 23/26
Ny fo no ipoiran'ny zavatra maro mandrafitra ny fiainantsika. Io fotsika io dia manosika antsika handeha any amin'ny mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Ilain'Andriamanitra ny fotsika satria manana tanjona ho antsika Izy : "Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo" Ezekiela 36/26
Izany hoe, Andriamanitra dia te hanavao (hi-restaurer) ny amintsika manontolo. Tiany haverina amin'ny laoniny sy araka ny tokony ho izy (araka ny sitrapony) ny momba antsika.
Mahagaga tokoa Andriamanitra ary velom-panontaniana aho hoe: Zava-dehibe manao ahoana loatra no manosika Azy hanao izany? Marihina fa amin'io Ezekiela 36 io dia voalaza fa nihodina tamin'Andriamanitra ny zanak'Isiraely nefa mbola nangoniny sy nodioviny ihany avy eo.
Fitiavana no manosika Azy hanao izany, tsy tiany hitsakitsahana ny voninahiny, tsy tiany ho afa-baraka ny zanany. Anisan'izany isika: Fitiavana mandrakizay no itiavany antsika (Jeremia 31:3).
Inona no ao anatin'izany fo vaovao omen'Andriamanitra antsika izany? Mazava ho azy fa fitiavana, fifaliana, famelan-keloka, fahononam-po, faherezana, fahamarinana, fiadanana ary fahamarinana ary fahatsarana maro.
Ny toetran'Andriamanitra no tiany ho toetrantsika: toetra tsara sy mendrika manoloana Azy sy manoloana ny mpiara-belona amintsika.
Zavatra tokana no takiana amintsika dia ny hanolorantsika ny fotsika ho an'Andriamanitra. Fotoana mety indray izao hanapahatsika hevitra hahatonga antsika ho tonga vaovao.
Amin'ny hevitra tsotra, ny hoe "vaovao" dia zavatra tsy mbola nampiasaina, zavatra mbola madio. Izany hoe, raha arak'ilay teny etsy ambony dia hanome fo madio tsy misy pentina ho antsika Andriamanitra.
"Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo". 2Korintiana 5/17.
Ny hoe "vaovao" araka ity teny ity dia tsy manao ny fanao ratsy taloha intsony ilay olona. Izany hoe, nisy fiovana ho amin'ny fahatsarana teo aminy: tao anatiny sy teo amin'ny fomba amam-panaony dia fihavaozana izany.
Vaovao ny taona, maro amintsika ny manana fikasàna tsara sy vaovao hotanterahina. Toro hevitra ho antsika: avadiho ho fanamby izany fikasàna izany mba hahatanteraka azy.
Ohatra: raha mikasa ny hanao trano aho dia tokony hilaza aho hoe: tsy maintsy vitako izany trano izany. Izay no atao hoe fanamby
Raha toa ka fikasàna fotsiny mantsy dia mety hijanona ho hetaheta ihany izany fa raha fanamby ilay izy dia efa manomboka manatanteraka azy sahady isika. Manoatra noho izany ny voady.
Toa izany ny miaraka amin'Andriamanitra: raha te ho olom-baovao aho dia mila manao fanamby (na voady) hiala amin'ny toetra ratsiko, manao fanamby hiala amin'ny fahazaran-dratsiko, manao fanamby hiala amin'ny zavatra mamotika ny tempolin'Andriamanitra (izay ny tenako izany 1Korintiana 3/16 - 17). Miatomboka amiko ny fahatanterahan'izany fanavaozana izany. Izany hoe, miankina amiko voalohany indrindra ny hahatonga ahy ho olom-baovao.
Manaiky sy mankato ny tenin'Andriamanitra = mampihatra, manantanteraka (action) fa tsy mijanona ho fahalalàna fotsiny.
Fanampin'izany, angataho ny Herin'Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina, hiazona antsika tsy hierikerika sy tsy hiverin-dalana intsony ho amin'ny faharatsiana. Tsarovy fa nierikerika ny vadin'i Lota no nahatonga azy ho vongan-tsira (Genesisy 19/26), niverin-dàlana no nahafaty ilay lehilahin'Andriamanitra tao Betela (1 Mpanjaka 13).
Na amin'ny fiainana an-davan'andro aza, raha miverina isika dia tsy hamindra fo amintsika ny fahavalontsika izay manenjika antsika. Mainka fa manoloana ny devoly?
Fehiny: Avaozy ny fanolorantsika ho an'Andriamanitra ny fotsika (sy ny momba antsika manontolo) fa vonona sy te hanadio antsika Izy ka hanome antsika fo, fanahy, saina ary fiainam-baovao. Miankina tanteraka amintsika ny hahatanteraka izany na tsia. Aza ajanona ho fikasàna fotsiny fa manaova fanamby, mangataha ny Fanahy Masina hiaro mba tsy hiverin-dàlana hanao ny ratsy intsony.
Aoka isika ifampivavaka ary mivoady fa tsy hiverina amin'ny faharatsiana intsony ary ho tonga vaovao araka ny sitrapon'Andriamanitra.
Aoka ho an'Andriamanitra irery ny dera, ny haja ary ny voninahitra mandrakizay. Amena