TANDREMO : VATOMAMY MISY POIZINA NA DROGUE ETO MKARA

1. vonynive ( 15/12/2010 09:37)
Tsy fantatro na efa misy ity lohahevitra ity na tsia
VATOMAMY MISY POIZINA NA DROGUE ETO MKARA
Tsy honohono fa mandeha saika isan'andro @ haino amanjery io vaovao io ary tena mampalahelo tokoa ary tena efa nisy ny maty sy ny narary.

Misy vehivavy 2 na lehilahy 2 tsy fantatra matetika mizara vatomamy @ ankizy eny andalana ka zay mihinana io vatomamy io dia raha tsy maty mihitsy dia lasa marary mafy.
tena mampalahelo io toejavatra io satria tena tsy miraharaha ny atao oe aina intsony ny olona sasany an ka sahy manao zavatra tsy fanao intsony; very ve ny soa toavina malagasy nitandro ny aina ? aiza ny fatahorana an'Atra ? mba samy aina ve dia hifamono e?

Tokony samy hitandrina ny tsirairay @ izany ary handray fepetra henjana ny mpampihatra lalàna hitady ny atidoha nikotrika izao zavadoza izao fa tsy rariny mihitsy !
raha araka ny filazan'ny ministeran'ny fahasalamana rehefa nanao analyse dia tsy ny vokatry ny fahalanian'ny datin'ireo vatomamy lany daty na ny marque vatomamy tsy akory no miteraka poizina fa tena misy manisy poizina mihitsy ny vatomamy sasany.

nandeha vao tsy ela tao @ internet koa ilay vatomamy misy drogue; zao vao misy sahy milaza fa efa nisy izany teto Mkara saingy tsy sahy niteny ary tsy dia nahalala koa oe avy @ vatomamy ange le drogue e

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5329