...
ny maha-malagasy antsika :
iray tanindrazana -
iray fiteny -
iray tantara : maro fiaviana (aostraonezianina, arabo, afrikana) saingy nitambatra ho malagasy rano iray (andrianampoinimerina, 1806) -
iray tolona : vy, vato, sakelika, 1947 -
iray tanjona : repoblika mikatsaka fahafahana (1991), fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena feno -
iray harena : tokana tsy manan-tsahala ka arovana tsy ho potika na ho voazarazara (tontolo iainana, harena ankibon'ny tany, fomba amam-panao noentim-paharazana sy soatoavina, fiteny)
sarotra ny fotoana sy ny làlana diavintsika ankehitriny, fa raha mivondrona manodidina io
maha-malagasy antsika io isika dia fanilo ampy izany hifankahitan'ny tsirairay @ rehetra ka hitondràna avo ny tanindrazana sy ny fahamendrehan'ny malagasy manontolo.
aza kivy fa tsilovy ny làlan'ny fahafahana.
itaramasoandro 8-)